Malagasy

Esperanto

1 Chronicles

16

1Ary nampiditra ny Fiaran'Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra izy.
1Kaj oni alportis la keston de Dio, kaj metis gxin interne de la tendo, kiun David starigis por gxi; kaj oni alportis bruloferojn kaj pacoferojn antaux Dion.
2Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin'ny anaran'i Jehovah izy.
2Kiam David finis la oferadon de la bruloferoj kaj de la pacoferoj, li benis la popolon en la nomo de la Eternulo.
3Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an'ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.[Na: divay eran'ny kapoaka]
3Kaj li disdonis al cxiuj Izraelidoj, kiel al la viroj, tiel ankaux al la virinoj, al cxiu po unu bulo da pano, po unu porcio da viando, kaj po unu peniko da sekvinberoj.
4[Ny nandaminan'i Davida ny fanompoam-pivavahana, sy ny salamo natao ho fisaorana an'i Jehovah] Ary ny Levita sasany notendren'i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
4Kaj li starigis antaux la kesto de la Eternulo el la Levidoj servantojn, por kantadi gloron, dankon, kaj lauxdon al la Eternulo, Dio de Izrael:
5Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
5la cxefo estis Asaf, la dua estis Zehxarja, poste Jeiel, SXemiramot, Jehxiel, Matitja, Eliab, Benaja, Obed-Edom, kaj Jeiel, kun psalteroj kaj harpoj, kaj Asaf sonigadis per cimbaloj;
6Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.
6Benaja kaj Jahxaziel, la pastroj, estis kun trumpetoj cxiam antaux la kesto de interligo de Dio.
7Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.
7Tiam, en tiu tago, David la unuan fojon arangxis dankokanton al la Eternulo per Asaf kaj liaj fratoj:
8Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
8Gloru la Eternulon, voku Lian nomon; Sciigu inter la popoloj Liajn farojn.
9Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
9Kantu al Li, muziku al Li; Parolu pri cxiuj Liaj mirakloj.
10Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
10Lauxdu Lian sanktan nomon; GXoju la koro de tiuj, kiuj sercxas la Eternulon.
11Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
11Turnu vin al la Eternulo kaj al Lia potenco; Sercxu cxiam Lian vizagxon.
12Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
12Memoru Liajn miraklojn, kiujn Li faris; Liajn signomiraklojn kaj la jugxojn de Lia busxo;
13Hianareo taranak'Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
13Vi, semo de Izrael, Lia sklavo, Filoj de Jakob, Liaj elektitoj.
14Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
14Li estas la Eternulo, nia Dio; Sur la tuta tero estas Liaj jugxoj.
15Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
15Memoru eterne Lian interligon, La vorton, kiun Li testamentis por mil generacioj,
16Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,
16Kiun Li interkonsentis kun Abraham Kaj jxuris al Isaak.
17Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
17Li metis gxin por Jakob kiel legxon, Por Izrael kiel eternan interligon,
18Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;
18Dirante:Al vi Mi donos la landon Kanaanan Kiel vian parton heredan.
19Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
19Kiam vi estis malgrandnombraj, Malmultaj, kaj fremduloj en gxi,
20Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
20Kaj ili iradis de popolo al popolo, El unu regno al alia gento,
21Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
21Tiam Li al neniu permesis premi ilin, Kaj Li punis pro ili regxojn;
22Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
22Dirante:Ne tusxu Miajn sanktoleitojn, Kaj al Miaj profetoj ne faru malbonon.
23Mihira ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
23Kantu al la Eternulo la tuta tero; Proklamu de tago al tago Lian savon.
24Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
24Rakontu inter la popoloj Lian gloron, Inter cxiuj gentoj Liajn miraklojn.
25Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.
25CXar la Eternulo estas granda kaj tre glorinda; Li estas timinda super cxiuj dioj;
26Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
26CXar cxiuj dioj de la popoloj estas idoloj; Sed la Eternulo kreis la cxielon.
27Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.
27Gloro kaj majesto estas antaux Li; Forto kaj beleco estas sur Lia loko.
28Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
28Tributu al la Eternulo, familioj de la popoloj; Tributu al la Eternulo gloron kaj potencon.
29Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina
29Tributu al la Eternulo honoron de Lia nomo; Alportu donacon, kaj venu antaux Lin; Adorklinigxu antaux la Eternulo en sankta ornamo.
30Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
30Tremu antaux Li la tuta tero; Li arangxis ja la mondon, ke gxi ne sxanceligxu.
31Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
31GXoju la cxielo, kaj estu gaja la tero; Kaj oni diru inter la nacioj:La Eternulo regxas.
32Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
32Bruu la maro, kaj cxio, kio gxin plenigas; GXoju la kampo, kaj cxio, kio estas sur gxi.
33Dia hihoby eo anatrehan'i Jehovah amin'izay ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
33Tiam kantu cxiuj arboj de la arbaro antaux la Eternulo, CXar Li venas, por jugxi la teron.
34Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
34Lauxdu la Eternulon, cxar Li estas bona; CXar eterna estas Lia favorkoreco.
35Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
35Kaj diru:Savu nin, ho Dio de nia savo, Kolektu nin kaj liberigu nin el inter la nacioj, Por ke ni danku Vian sanktan nomon, Por ke ni gloru nin per Via majesto.
36Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.
36Benata estu la Eternulo, Dio de Izrael, De eterne gxis eterne. Kaj la tuta popolo diris:Amen! kaj gloro al la Eternulo!
37Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan'i Davida teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,
37Kaj li restigis tie antaux la kesto de interligo de la Eternulo Asafon kaj liajn fratojn, por servadi antaux la kesto konstante, laux la ordo de cxiu tago;
38ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak'i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
38kaj Obed-Edomon kaj liajn fratojn, sesdek ok; Obed-Edom, filo de Jedutun, kaj HXosa, restis kiel pordegistoj;
39Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah teo amin'ny fitoerana avo any Gibeona,
39kaj la pastron Cadok kaj liajn fratojn, la pastrojn, antaux la logxejo de la Eternulo sur la altajxo en Gibeon,
40hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah marain-tsy hariva eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
40por ke ili alportadu bruloferojn al la Eternulo sur la altaro de bruloferoj konstante, matene kaj vespere, kaj por cxio, kio estas skribita en la instruo de la Eternulo, kiun Li donis al Izrael.
41ary naman'ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin'ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
41Kaj kun ili estis Heman kaj Jedutun, kaj la aliaj elektitoj, difinitaj lauxnome, por kantadi lauxdon al la Eternulo, cxar eterna estas Lia favorkoreco;
42Ary tao amin'i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an'izay mampaneno ary ny fomban'ny zava-manenon'Andriamanitra. Ary ny zanak'i Jedotona no mpiandry varavarana.Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
42kun ili estis Heman kaj Jedutun, kun trumpetoj kaj cimbaloj kaj aliaj instrumentoj por kantado antaux Dio; kaj la filoj de Jedutun estis cxe la pordego.
43Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
43Kaj la tuta popolo disiris cxiu en sian domon; kaj David iris returne, por beni sian domon.