1[Ny nanirian'i Davida hanao tempoly, sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany] Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
1Kiam David logxis en sia domo, li diris unu fojon al la profeto Natan:Jen mi logxas en domo cedroligna, kaj la kesto de interligo de la Eternulo restas sub tapisxoj.
2Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
2Kaj Natan diris al David:CXion, kio estas sur via koro, faru, cxar Dio estas kun vi.
3Nefa tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:
3Sed en tiu sama nokto aperis vorto de Dio al Natan, dirante:
4Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;
4Iru, kaj diru al Mia servanto David:Tiele diras la Eternulo:Ne vi konstruos por Mi la domon por logxi;
5fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. [Heb. lay][Heb. tabernakely]
5cxar Mi ne logxis en domo de post tiu tago, kiam Mi elkondukis Izraelon, gxis la nuna tempo; sed Mi estis nur en tabernaklo kaj en tendo.
6Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
6Kien ajn Mi iris kun la tuta Izrael, cxu Mi diris ecx unu vorton al iu el la jugxistoj de Izrael, al kiuj Mi ordonis pasxti Mian popolon, dirante:Kial vi ne konstruis por Mi cedrolignan domon?
7Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
7Kaj nun diru jenon al Mia servanto David:Tiele diras la Eternulo Cebaot:Mi prenis vin de sxafejo, de sxafoj, por ke vi estu estro super Mia popolo Izrael;
8Ary nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.
8kaj Mi estis kun vi cxie, kien vi iris; kaj Mi ekstermis cxiujn viajn malamikojn antaux vi, kaj Mi faris al vi nomon, egalan al la nomoj de la potenculoj sur la tero;
9Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
9kaj Mi arangxis lokon por Mia popolo Izrael, kaj Mi plantis gxin tiel, ke gxi logxu trankvile sur sia loko kaj ne plu tremu; kaj malbonuloj ne plu senfortigos gxin, kiel antauxe;
10sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.[Heb. hanao trano ho anao]
10kaj de post tiu tempo, kiam Mi starigis jugxistojn super Mia popolo Izrael, Mi humiligis cxiujn viajn malamikojn; kaj Mi diras al vi, ke domon konstruos al vi la Eternulo.
11Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
11Kiam finigxos viaj tagoj kaj vi iros al viaj patroj, Mi starigos post vi vian idon, kiu estos el viaj filoj; kaj Mi fortikigos lian regnon.
12dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
12Li konstruos por Mi domon; kaj Mi fortikigos lian tronon por cxiam.
13Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;
13Mi estos al li patro, kaj li estos al Mi filo; kaj Mian favorkorecon Mi ne deturnos de li tiel, kiel Mi deturnis de tiu, kiu estis antaux vi.
14fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
14Kaj Mi starigos lin en Mia domo kaj en Mia regno por cxiam; kaj lia trono estos fortikigita por eterne.
15Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
15Konforme al cxiuj cxi tiuj vortoj kaj al cxi tiu tuta vizio, Natan parolis al David.
16Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
16Kaj venis la regxo David kaj sidigxis antaux la Eternulo, kaj diris:Kiu estas mi, ho Dio Eternulo, kaj kio estas mia domo, ke Vi venigis min gxis cxi tie?
17Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
17Sed ecx tio estis nesuficxa antaux Vi, ho Dio, kaj Vi parolis pri la domo de Via servanto ecx por la malproksima estonteco, kaj Vi rigardis min kiel homon alte starantan, ho Dio Eternulo.
18Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.
18Kion pli David povas diri al Vi, por honori Vian servanton? Vi konas ja Vian servanton.
19Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
19Ho Eternulo, por Via servanto kaj laux Via koro Vi faris tiun tutan grandajxon, por montri cxian grandecon.
20Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.
20Ho Eternulo, ne ekzistas simila al Vi, kaj ne ekzistas Dio krom Vi, laux cxio, kion ni auxdis per niaj oreloj.
21Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
21Kaj kiu estas simila al Via popolo Izrael, la sola popolo sur la tero, koncerne kiun Dio iris, por elacxeti gxin al Si kiel popolon, por fari al Si nomon per grandajxoj kaj timindajxoj, forpelante naciojn antaux Via popolo, kiun Vi liberigis el Egiptujo?
22Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
22Vi faris Vian popolon Izrael Via popolo por eterne; kaj Vi, ho Eternulo, faris Vin Dio por gxi.
23Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
23Kaj nun, ho Eternulo, la vorto, kiun Vi diris pri Via servanto kaj pri lia domo, verigxu por eterne, kaj Vi agu tiel, kiel Vi diris.
24Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.
24Kaj Via nomo estu vera kaj granda por eterne, por ke oni diru:La Eternulo Cebaot, Dio de Izrael, estas Dio al Izrael; kaj la domo de Via servanto David estu fortika antaux Vi.
25Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.[Heb. hanao trano ho azy Hianao]
25CXar Vi, ho mia Dio, sciigis al la orelo de Via servanto, ke Vi konstruos al li domon; tial Via servanto trovis kuragxon pregxi antaux Vi.
26Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.
26Kaj nun, ho Eternulo, Vi estas Dio, kaj Vi diris pri Via servanto cxi tiun bonajxon.
27dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.
27Nun komencu beni la domon de Via servanto, ke gxi restu eterne antaux Vi; cxar kion Vi, ho Eternulo, benas, tio restas benita por eterne.