Malagasy

Esperanto

Isaiah

20

1[Fanoharana ny amin'ny handravana an'i Etiopia sy Egypta] Tamin'ny taona nankanesan'i Tartana tany Asdoda, raha nirahin'i Sargona, mpanjakan'i Asyria, izy ka namely an'i Asdoda ary nahafaka azy,
1En la jaro, kiam Tartan venis Asxdodon, kien lin sendis Sargon, regxo de Asirio, kaj li militis kontraux Asxdod kaj prenis gxin,
2tamin'izany andro izany no nampitondran'i Jehovah teny an'Isaia, zanak'i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin'ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin'ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
2en tiu tempo la Eternulo parolis per Jesaja, filo de Amoc, dirante:Iru, kaj demetu la sakajxon de via lumbo, kaj demetu la sxuojn de viaj piedoj. Kaj li faris tiel; li iris nuda kaj nudpieda.
3Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan'Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin'i Egypta sy Etiopia,
3Kaj la Eternulo diris:Kiel Mia servanto Jesaja iris nuda kaj nudpieda por trijara montrado kaj antauxdirado pri Egiptujo kaj Etiopujo,
4dia ho toy izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr'i Egypta.
4tiel la regxo de Asirio kondukos la kaptitajn Egiptojn kaj la ekzilitajn Etiopojn, junulojn kaj maljunulojn, nudajn kaj nudpiedajn kaj kun nudaj hontaj partoj, malhonore por la Egiptoj.
5Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.[Heb. izy]Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
5Kaj ili havos teruron kaj honton pro Etiopujo, kiun ili fidis, kaj pro Egiptujo, pri kiu ili fanfaronis.
6Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
6Kaj en tiu tempo diros la logxantoj de tiu apudmara lando:Jen kia estas nia fidita lando, kien ni kuris, por sercxi helpon, por savi nin kontraux la regxo de Asirio; kiamaniere ni nun savos nin?