1[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]
1Profetajxo pri la apudmara dezerto: Kiel renversanta de ventego de sudo, li venas el la dezerto, el lando terura.
2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
2Kruela vizio estas montrita al mi:rabanto rabas, kaj ruiniganto ruinigas. Supreniru, ho Elam; siegxu, ho Medujo; cxiun gxemadon mi cxesigis.
3Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
3Tial mia lumbo estas plena de doloro; turmentoj kaptis min, kiel turmentoj de naskantino; mi tordigxis, kiam mi auxdis; mi sentis teruron, kiam mi vidis.
4Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
4Konsternigxas mia koro, teruro min frapis; la cxarma nokto farigxis por mi teruro.
5Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy]
5Preparu tablon, starigu gardostarantojn, mangxu, trinku. Levigxu, princoj, sxmiru la sxildon.
6Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
6CXar tiele diris al mi mia Sinjoro:Iru, starigu observanton; kion li vidos, li diru.
7Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;
7Kaj li vidis vicojn da cxevaloj duope, vicojn da azenoj, vicojn da kameloj; kaj li auxskultis atente, kun granda atento.
8Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina;
8Kaj li ekkriis kiel leono:Mia sinjoro, mi staris konstante sur mia observejo dum la tago, kaj sur mia gardejo mi staris tutajn noktojn;
9Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin'ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra]
9kaj jen venis viro, veturanta sur ducxevala cxaro, kaj li ekkrias kaj diras:Falis, falis Babel, kaj cxiuj idoloj de gxiaj dioj rompigxis sur la teron.
10Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako]
10Mia drasxajxo, kaj filo de mia garbejo! kion mi auxdis de la Eternulo Cebaot, Dio de Izrael, tion mi diris al vi.
11[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? [Heb. Doma]
11Profetajxo pri Duma: Oni krias al mi el Seir:Gardisto, kiom da nokto restas? gardisto, kiom da nokto restas?
12Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena. [Na: avia indray]
12La gardisto diris:Venis la mateno, kaj tamen estas nokto; se vi volas demandi, demandu, revenu denove.
13[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.
13Profetajxo pri Arabujo: En la arbaro Arabuja pasigu la nokton, karavanoj Dedanaj!
14Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;
14Elportu akvon renkonte al la soifanto, vi, logxantoj de la lando Tema, kun pano renkontu la forkurinton;
15Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.
15cxar oni forkuras de glavo, de akrigita glavo, kaj de pafarko strecxita, kaj de kruela batalo.
16Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
16CXar tiele diris al mi la Sinjoro:Post unu jaro, kiel la jaro de dungito, malaperos la tuta gloro de Kedar;
17Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
17kaj la restajxo de la heroaj arkpafistoj de Kedar estos malgranda; cxar la Eternulo, Dio de Izrael, diris.