1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
1Sed nun ridas pri mi homoj pli junaj ol mi, Kies patrojn mi ne volus starigi kun la hundoj de miaj sxafaroj;
2Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?
2Kies forto de la manoj estis senbezona por mi, Kaj kiuj ne povis atingi maljunecon;
3Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka]
3Kiuj pro malricxeco kaj malsato solece kuris En la dezerton mizeran kaj senvivan;
4Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]
4Kiuj elsxiras atriplon apud la arbetajxoj, Kaj kies pano estas la radiko de genisto.
5Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
5El meze de la homoj oni elpelas ilin; Oni krias sur ilin, kiel sur sxteliston;
6Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
6En terfendoj cxe la valoj ili logxas, En truoj de la tero kaj de rokoj;
7Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.
7Inter la arbetajxoj ili krias, Sub la kardoj ili kolektigxas;
8Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.
8Kiel infanoj de sentauxguloj kaj sennomuloj, Ili estas elpelitaj el la lando.
9Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
9Kaj nun mi farigxis objekto de ilia mokokanto, Mi farigxis por ili objekto de babilado.
10Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
10Ili abomenas min, malproksimigxas de mi, Ne timas kracxi sur mian vizagxon.
11Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
11Li malligis mian sxnuron kaj turmentas min, Kaj ili forjxetis antaux mi la bridon.
12Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
12Dekstre buboj starigxis, kaj pusxas miajn piedojn; Ili ebenigis kontraux mi siajn pereigajn vojojn;
13Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
13Ili disfosis mian vojon, facile pereigas min, Ne bezonante helpanton;
14Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany.[Na: Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy]
14Ili venas kiel tra largxa brecxo, JXetas sin tumulte.
15Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
15Teruroj turnis sin kontraux min, Forpelis mian majeston kiel vento; Kiel nubo foriris mia felicxo.
16Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho.
16Kaj nun elversxigxas mia animo; Kaptis min tagoj de mizero.
17Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona]
17En la nokto miaj ostoj traborigxas en mi, Kaj miaj mordetantoj ne dormas.
18Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
18Kun granda malfacileco demetigxas mia vesto; Premas min la rando de mia cxemizo.
19Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
19Oni komparas min kun koto; Mi similigxis al polvo kaj cindro.
20Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
20Mi krias al Vi, sed Vi ne respondas al mi; Mi staras, ke Vi atentu min.
21Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy.
21Vi farigxis kruelulo por mi; Per la forto de Via mano Vi montras al mi Vian malamon.
22Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
22Vi levis min en la venton, Lasis min kaj neniigis min en la ventego.
23Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra.
23Mi scias, ke Vi transdonos min al la morto, En la kunvenejon de cxio vivanta.
24Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy]
24Sed cxu oni povas ne deziri eltiri manon, Kaj krii en sia malfelicxo?
25Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
25CXu mi ne ploris pri tiu, kiu havis malfelicxan tempon? CXu mia animo ne afliktigxis pri malricxulo?
26Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
26Mi atendis bonon, sed venis malbono; Mi esperis lumon, sed venis mallumo.
27Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
27Miaj internajxoj bolas kaj ne cxesas; Atakis min tempo de mizero.
28Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin'ny hain'andro]
28Mi estas nigra, sed ne de la suno; Mi levigxas en la komunumo kaj krias.
29Rahalahin'ny amboadia aho Ary naman'ny ostritsa.[Na: jakala]
29Mi farigxis frato al la sxakaloj Kaj kamarado al la strutoj.
30Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.[Heb. fahamainana]Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
30Mia hauxto nigrigxis sur mi, Kaj miaj ostoj sekigxis de varmego.
31Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
31Mia harpo farigxis plendilo, Kaj mia fluto farigxis vocxo de plorantoj.