1Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? [Heb. virijina]
1Mi faris interligon kun miaj okuloj, Ke mi ne atentu virgulinon.
2Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?
2Kia estas la parto, kiun donas Dio de supre? Kaj kion destinas la Plejpotenculo el la altaj sferoj?
3Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
3CXu ne malfelicxon al malpiulo, Kaj forpusxon de malbonagantoj?
4Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy]
4CXu Li ne vidas mian konduton, Ne kalkulas cxiujn miajn pasxojn?
5Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.
5CXu mi iradis en malvero, Kaj miaj piedoj rapidis al trompo?
6(Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
6Li pesu min per justa pesilo, Kaj tiam Dio konvinkigxos pri mia senkulpeco.
7Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:
7Se mia pasxo forklinigxis de la vojo, Se mia koro sekvis miajn okulojn, Kaj se al mia mano algluigxis makulo:
8Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
8Tiam mi semu kaj alia mangxu, Kaj mia idaro elradikigxu.
9Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,
9Se mia koro forlogigxis al virino, Kaj mi kasxe atendis cxe la pordo de mia amiko:
10Dia aoka kosa ny vadiko halain'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho an']
10Tiam mia edzino estu adultigata de aliulo, Kaj aliuloj klinigxu super sxi.
11Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;
11CXar tio estus malvirto, Tio estus krimo, kiun devas puni jugxistoj.
12Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
12Tio estas fajro, kiu ekstermas gxis la abismo, Kaj mian tutan akiritajxon gxi elradikigus.
13Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
13CXu mi malsxatis la rajton de mia servisto aux de mia servistino, Kiam ili havis jugxan aferon kun mi?
14Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
14Tiam kion mi farus, kiam Dio levigxus? Kaj kion mi respondus al Li, kiam Li esplordemandus?
15Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
15Lin kreis ja Tiu sama, kiu kreis min en la ventro, Kaj Tiu sama pretigis en la ventro ankaux lin.
16Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,
16CXu mi rifuzis la deziron de senhavuloj? Aux cxu mi turmentis la okulojn de vidvino?
17Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty
17CXu mian panpecon mi mangxis sola? CXu ne mangxis de gxi ankaux orfo?
18(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
18CXar detempe de mia juneco mi estis kiel patro, Kaj de post la eliro el la ventro de mia patrino mi estis gvidisto.
19Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
19Kiam mi vidis malfelicxulon sen vesto Kaj malricxulon sen kovro,
20Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko;[Heb. valahany]
20CXu tiam ne benis min liaj lumboj, CXu li ne estis varmigata per la lano de miaj sxafoj?
21Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
21Se mi levis mian manon kontraux orfon, CXar mi vidis en la pordego helpon al mi,
22Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin'ny taolam-panaviko.
22En tia okazo mia sxultro defalu de la dorso, Kaj mia brako rompigxu de kano.
23Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]
23CXar mi timas la punon de Dio, Kaj gxian pezon mi ne povus elteni.
24Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
24CXu mi faris la oron mia espero, Kaj la orbulon mi nomis mia fido?
25Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben'ny fananako sy noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka;
25CXu mi gxojis, ke mia ricxeco estas granda Kaj ke mia mano multe akiris?
26Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin'ny fangarangarany izy,
26Kiam mi vidis la lumon brilantan Kaj la lunon majeste irantan,
27Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
27CXu tiam sekrete forlogigxis mia koro Kaj mi sendis kisojn per mia mano?
28(Dia heloka hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra Izay any ambony aho);
28Ankaux tio estus krimo jugxinda, CXar mi forneus per tio Dion en la alto.
29Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
29CXu mi gxojis pri malfelicxo de mia malamiko? Aux cxu mi estis ravita, se lin trafis malbono?
30(Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
30Mi ne permesis al mia gorgxo peki Per eldiro de malbeno kontraux lia animo.
31Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin'ny henany? [Na: Iza moa no tsy voky tamin'ny fianakaviany?]
31CXu la homoj de mia tendo ne diris: Ho, se oni ne satigxus de lia karno!
32Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
32Ne noktis fremdulo sur la strato; Miajn pordojn mi malfermadis al migrantoj.
33Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an'i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]
33CXu mi hommaniere kovradis miajn kulpojn, Por kasxi en mia brusto miajn pekojn?
34Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
34En tia okazo mi timus grandan homamason, Kaj malestimo de familioj min timigus; Mi silentus, kaj ne elirus ekster la pordon.
35Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr'ilay manana ady amiko!
35Ho, se iu auxskultus min! Jen estas mia signo; la Plejpotenculo respondu al mi. Se mia akuzanto skribus libron,
36Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
36Mi portus gxin sur mia sxultro, Mi metus gxin sur min kiel kronon,
37Ny isan'ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy.
37Mi raportus al li pri la nombro de miaj pasxoj; Mi alproksimigxus al li kiel al princo.
38Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
38Se mia lando kriis kontraux mi, Kaj gxiaj sulkoj ploris,
39Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny tompony:Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.
39Se gxiajn fruktojn mi mangxis senpage, Kaj mi afliktis la animon de gxiaj mastroj:
40Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.
40Tiam anstataux tritiko kresku por mi kardo, Kaj anstataux hordeo dornoj. Finigxis la paroloj de Ijob.