Malagasy

Esperanto

Job

32

1[Ny teny nataon'i Eliho] Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
1Kaj tiuj tri viroj cxesis respondi al Ijob, cxar li opiniis sin prava.
2Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
2Tiam ekflamis la kolero de Elihu, filo de Barahxel, Buzano, el la familio de Ram. Kontraux Ijob ekflamis lia kolero pro tio, ke li opiniis sin pli prava ol Dio;
3Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba.[Na: teny havaliny an'i Joba hanamelohany azy]
3kaj kontraux liaj tri amikoj ekflamis lia kolero pro tio, ke ili ne trovis respondon kaj akuzis Ijobon.
4Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
4Elihu atendis, dum ili parolis kun Ijob, cxar ili estis pli agxaj ol li.
5Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
5Sed kiam Elihu vidis, ke ne trovigxas respondo en la busxo de la tri viroj, ekflamis lia kolero.
6ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
6Kaj ekparolis Elihu, filo de Barahxel, la Buzano, kaj diris: Mi estas juna, kaj vi estas maljunuloj; Tial mi hezitis kaj timis eldiri al vi mian opinion.
7Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.
7Mi pensis:La agxo parolu, Kaj la jarmulto montru sagxon.
8Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.[Na: Dia]
8Sed la spirito en la homoj kaj la spiro de la Plejpotenculo Donas al ili prudenton.
9Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
9Ne la grandaj estas la plej prudentaj, Kaj ne la maljunuloj sole scias jugxi,
10Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
10Tial mi diras:Auxskultu min; Mi ankaux eldiros mian opinion.
11Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
11Jen mi atendis viajn vortojn, Mi atentis vian kompetentecon, GXis vi trovos la gxustan parolon.
12Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
12Sed atentante vin, mi vidis, Ke neniu el vi donas al Ijob moralinstruon, Respondante al liaj paroloj.
13Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.[Heb. fahendrena]
13Ne diru:Ni trovis la sagxon. Dio instruu lin, ne homo.
14Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
14Li ne direktis al mi siajn vortojn, Kaj per viaj diroj mi ne respondos al li.
15Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
15Ili perdis la kuragxon, ili ne plu respondis; Mankas al ili vortoj.
16Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
16Mi atendis, gxis ili cxesos paroli; Sed cxar ili haltis kaj ne plu respondis,
17Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
17Tial ankaux mi de mia flanko respondos, Mi ankaux eldiros mian opinion.
18Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
18CXar mi estas plena de vortoj; La spirito de mia interno min premas.
19Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
19Mia interno estas kiel vino sxtopfermita, Kiu krevigas novan felsakon.
20Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
20Mi ekparolos, kaj tiam farigxos al mi pli facile; Mi malfermos mian busxon, kaj mi respondos.
21Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
21Mi ne atentos la vizagxon de persono, Kaj mi ne flatos al homo;
22Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
22CXar mi ne povoscias flati; Aliokaze pereigu min mia Kreinto.