1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
1Elihu parolis plue, kaj diris:
2Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
2Auxskultu, sagxuloj, miajn vortojn; Kaj vi, kompetentuloj, atentu min.
3Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.[Heb. lanilany]
3CXar la orelo esploras la parolon, Kiel la palato gustumas la mangxajxon.
4Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
4Decidon ni elektu al ni; Ni esploru inter ni, kio estas bona.
5Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny;
5CXar Ijob diris:Mi estas prava, Sed Dio forigis mian rajton;
6Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
6En mia jugxa afero mi estas refutata; Turmentas min mia sago, kvankam mi estas senkulpa.
7Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano.
7Kiu homo estas simila al Ijob, Kiu trinkas mokojn kiel akvon?
8Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy?
8Kaj li estas preta aligxi al malbonaguloj Kaj iri kun malpiuloj;
9Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra.
9CXar li diras:Homo ne havas utilon, Se li sercxas favoron de Dio.
10Koa amin'izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
10Tial auxskultu min, ho sagxaj homoj: Dio estas malproksima de malbonagoj, Kaj la Plejpotenculo estas malproksima de maljusteco;
11Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
11Sed Li repagas al homo laux liaj agoj, Kaj laux la vojo de cxiu Li renkontas lin.
12Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
12Vere, Dio ne malbonagas, Kaj la Plejpotenculo ne kurbigas la veron.
13Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
13Kiu komisiis al Li la teron? Kaj kiu starigis Lin super la tuta mondo?
14Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
14Se Li pensus nur pri Si, Se Li prenus al Si Sian spiriton kaj spiron,
15Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona.
15Tiam pereus absolute cxiu karno, Kaj homo refarigxus polvo.
16Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
16Se vi havas prudenton, auxskultu cxi tion; Atentu la vocxon de miaj paroloj.
17Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
17CXu povas regi malamanto de justeco? CXu vi povas akuzi la Plejjustulon?
18(Mety va ny miteny amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!),
18CXu oni povas diris al regxo:Sentauxgulo; Aux al altranguloj:Malpiulo?
19Dia Ilay tsy mizaha ny tavan'ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan'ny tànany avokoa izy rehetra.
19Sed Li ne atentas la vizagxon de princoj, Kaj ne preferas ricxulon antaux malricxulo; CXar cxiuj estas faritajxo de Liaj manoj.
20Maty amin'ny indray mipi-maso monja amin'ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
20Momente ili mortas, noktomeze ili tumultigxas kaj malaperas; Ne de homa mano estas forigataj la potenculoj.
21Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
21CXar Liaj okuloj estas super la vojoj de homo, Kaj cxiujn liajn pasxojn Li vidas.
22Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren'ny mpanao ratsy.
22Ne ekzistas mallumo nek ombrego, Kie povus sin kasxi malbonaguloj.
23Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
23Li ne bezonas multe klopodi kun homo, Ke li iru al Dio por jugxo.
24Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
24Li pereigas la fortulojn sennombre Kaj starigas sur ilia loko aliajn;
25Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy.
25CXar Li scias iliajn farojn; Li renversas ilin en la nokto, kaj ili frakasigxas.
26Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo eo imason'ny vahoaka.[Na: Mamely azy toy ny famely ny ratsy fanahy Izy]
26Kiel malpiulojn Li frapas ilin sur loko, kie cxiuj vidas;
27Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
27Pro tio, ke ili forturnigxis de Li Kaj ne penis kompreni cxiujn Liajn vojojn,
28Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory.
28Sed venigis al Li la kriadon de malricxulo, Kaj Li auxdis la kriadon de mizeruloj.
29Mangina Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny firenena, na amin'ny olona tsirairay,[Na: Manome fiadanana]
29Se Li kvietigas, tiam kiu povas ribeligi? Se Li kasxas Sian vizagxon, tiam kiu povas Lin vidi? Tiel estas egale kun nacio kaj kun aparta homo,
30Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
30Por ke ne regu homo hipokrita, El la pekigantoj de popolo.
31Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;[Na: nijaly]
31Al Dio oni devas diri: Mi fierigxis, mi ne plu faros malbonon;
32Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
32Kion mi ne vidas, pri tio instruu min; Se mi faris maljustajxon, mi ne plu faros.
33Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona Fa efa nandà, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho]
33CXu konforme al via opinio Li devas repagi? Al vi ja ne placxis. Vi elektu, ne mi; Kaj kion vi scias, tion diru.
34Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
34Sagxaj homoj diros al mi, Kaj prudenta homo, kiu min auxskultas:
35Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
35Ijob parolas malsagxe, Kaj liaj vortoj estas malprudentaj.
36Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy!Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.
36Ho, se Ijob estus elprovita gxis la fino, Pro tio, ke li aligxas al homoj pekaj;
37Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.
37CXar al sia peko li aldonas blasfemon; Inter ni li mokas, kaj multe parolas kontraux Dio.