1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
1Elihu parolis plue, kaj diris:
2Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an'Andriamanitra?
2CXu tion vi opinias justa, ke vi diras: Mi estas pli prava ol Dio?
3Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny fahotako? [Heb. anao]
3CXar vi diras:Kiom tio utilas al vi? Kian profiton mi havas kompare kun tiu okazo, se mi pekus?
4Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin'ny namanao.
4Mi respondos al vi, Kaj kune ankaux al viaj amikoj:
5Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
5Rigardu la cxielon, kaj vidu; Rigardu la nubojn, kiel tro alte ili estas por vi.
6Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
6Se vi pekas, kiom vi malutilas al Li? Kaj se viaj malbonagoj estas multaj, kion vi faras al Li?
7Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin'ny tananao?
7Se vi estas virta, kion vi donas al Li? Aux kion Li prenas el via mano?
8Mihatra amin'ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin'ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
8Al homo, simila al vi, povas ion fari via malbonago, Kaj via virteco havas signifon nur por homido.
9Noho ny habiazan'ny fampahoriana no itarainan'ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin'ny mahery,
9Pro multe da premado oni krias; Oni gxemas pro la brako de potenculoj.
10Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin'ny alina,
10Sed oni ne diras:Kie estas Dio, kiu min kreis, Kiu donas kantojn en la nokto,
11Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny biby ambonin'ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny voro-manidina?
11Kiu instruas nin pli ol la brutojn sur la tero, Prudentigas nin pli ol la birdojn de la cxielo?
12Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy.
12Tie ili krias pri la fiereco de la malbonuloj, Sed Li ne respondas.
13Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin'Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
13Tamen malvere estas, ke Dio ne auxdas Kaj ke la Plejpotenculo ne vidas.
14Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
14Kvankam vi diras, ke vi Lin ne vidas, Ekzistas tamen jugxo cxe Li; Kaj vi atendu Lin.
15Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
15Sed cxar Li nun ne montras Sian koleron Kaj ne atentas la tro grandan malvirtecon,
16Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
16Tial Ijob vante malfermis sian busxon Kaj tre multe parolas malprudente.