Malagasy

Esperanto

Job

36

1Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
1Kaj plue parolis Elihu, kaj diris:
2Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an'Andriamanitra.
2Atendu ankoraux iom; mi montros al vi, CXar mi havas ankoraux kion paroli pro Dio.
3Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
3Mi prenos mian scion de malproksime, Kaj mi montros, ke mia Kreinto estas prava.
4Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin'ny fahalalana no eto aminao.
4CXar vere miaj vortoj ne estas mensogaj; Homo sincera estas antaux vi.
5Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin'ny herin'ny fahalalana Izy.
5Vidu, Dio estas potenca, kaj tamen Li neniun malsxatas; Li estas potenca per la forto de la koro.
6Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory.
6Al malpiulo Li ne permesas vivi, Kaj al mizeruloj Li donas justecon.
7Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
7Li ne forturnas de virtuloj Siajn okulojn, Sed kun regxoj sur trono Li sidigas ilin por cxiam, Por ke ili estu altaj.
8Ary raha voafatotra amin'ny gadra izy sy voafehy amin'ny tadin'ny fahoriana.
8Kaj se ili estas ligitaj per cxenoj, Malliberigitaj mizere per sxnuroj,
9Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
9Tiam Li montras al ili iliajn farojn kaj kulpojn, Kiel grandaj ili estas.
10Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
10Li malfermas ilian orelon por la moralinstruo, Kaj diras, ke ili deturnu sin de malbonagoj.
11Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana
11Se ili obeas kaj servas al Li, Tiam ili finas siajn tagojn en bono Kaj siajn jarojn en stato agrabla;
12Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
12Sed se ili ne obeas, Tiam ili pereas per glavo Kaj mortas en malprudento.
13Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; [Na: ny ratsy fanahy]
13La hipokrituloj portas en si koleron; Ili ne vokas, kiam Li ilin ligis;
14Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta,[Dia ny olona mpanolo-tena ho amin'ny fijangajangana ho fanompoan-tsampy;]
14Ilia animo mortas en juneco, Kaj ilia vivo pereas inter la malcxastuloj.
15Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
15Li savas la suferanton en lia mizero, Kaj per la sufero Li malfermas ilian orelon.
16Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.
16Ankaux vin Li elkondukus el la suferoj En spacon vastan, kie ne ekzistas premateco; Kaj vi havus pacon cxe via tablo, plena de grasajxoj.
17Nefa raha fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;[Na: Dia hifanaikaiky ny ady sy ny fanamelohana;]
17Sed vi farigxis plena de kulpoj de malvirtulo; Kulpo kaj jugxo tenas sin kune.
18Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben'ny avotra.
18Via kolero ne forlogu vin al mokado, Kaj grandeco de elacxeto ne deklinu vin.
19Moa hahatonga anao ho ao amin'izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
19CXu Li atentos vian ricxecon? Ne, nek oron, nek forton aux potencon.
20Aza irinao ny hihavian'ny alina, izay ampialana ny olona amin'ny fitoerany.
20Ne strebu al tiu nokto, Kiu forigas popolojn de ilia loko.
21Tandremo, aza mivily ho amin'ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
21Gardu vin, ne klinigxu al malpieco; CXar tion vi komencis pro la mizero.
22Indro, Andriamanitra miasa amin'ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
22Vidu, Dio estas alta en Sia forto. Kiu estas tia instruanto, kiel Li?
23Iza no efa nandidy Azy ny amin'izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
23Kiu povas preskribi al Li vojon? Kaj kiu povas diri:Vi agis maljuste?
24Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.
24Memoru, ke vi honoru Liajn farojn, Pri kiuj kantas la homoj.
25Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.
25CXiuj homoj ilin vidas; Homo rigardas ilin de malproksime.
26Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
26Vidu, Dio estas granda kaj nekonata; La nombro de Liaj jaroj estas neesplorebla.
27Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
27Kiam Li malgrandigas la gutojn de akvo, Ili versxigxas pluve el la nebulo;
28Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.
28Versxigxas la nuboj Kaj gutas sur multe da homoj.
29Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
29Kaj kiam Li intencas etendi la nubojn Kiel tapisxojn de Sia tendo,
30Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.
30Tiam Li etendas sur ilin Sian lumon Kaj kovras la radikojn de la maro.
31Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
31CXar per ili Li jugxas la popolojn Kaj donas ankaux mangxajxon abunde.
32Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;[Na: Ary baikoiny ny ady sy ny fanamelohana]Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
32Per la manoj Li kovras la lumon Kaj ordonas al gxi aperi denove.
33Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
33Antauxdiras pri gxi gxia bruo, Kaj ecx la brutaroj, kiam gxi alproksimigxas.