Malagasy

Esperanto

Psalms

108

1[Fahatokiana an'Andriamanitra sy fanantenana ny heriny haharesy ny fahavalo] Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.[Heb. ny voninahitro]
1Kanto. Psalmo de David. Fortika estas mia koro, ho Dio; Mi kantos kaj gloros kun mia honoro.
2Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho. [Na: hampifoha ny maraina aho]
2Vekigxu, psaltero kaj harpo; Mi vekos la matenan cxielrugxon.
3Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.
3Mi gloros Vin, ho Eternulo, inter la popoloj; Kaj mi prikantos Vin inter la gentoj.
4Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.
4CXar granda gxis super la cxielo estas Via boneco, Kaj gxis la nuboj estas Via vero.
5Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
5Altigxu super la cxielo, ho Dio; Kaj Via gloro estu super la tuta tero.
6Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
6Por ke liberigxu viaj amatoj, Helpu per Via dekstra mano, kaj auxskultu min.
7Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
7Dio diris en Sia sanktejo:Mi triumfos; Mi dividos SXehxemon, kaj la valon Sukot Mi mezuros.
8Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
8Al Mi apartenas Gilead, al Mi apartenas Manase; Efraim estas la forto de Mia kapo, Jehuda estas Mia sceptro.
9Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.
9Moab estas Mia lavopelvo; Sur Edomon Mi jxetos Mian sxuon; Super Filisxtujo Mi triumfe krios.
10Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
10Kiu enkondukos min en fortikigitan urbon? Kiu alkondukos min gxis Edom?
11Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
11CXu ne Vi, ho Dio, forlasis nin? Vi ne eliras, ho Dio, kun niaj militistaroj.
12Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
12Donu al ni helpon kontraux la malamiko; Vanta estas helpo de homo.
13Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
13Kun Dio ni faros heroajxojn; Kaj Li dispremos niajn malamikojn.