1[Ny amin'ny loza hanjo ny manao teny ratsy sy tia ozona] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako ô, aza mangina Hianao,
1Al la hxorestro. Psalmo de David. Ho Dio, mia gloro, ne silentu.
2Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga izy.
2CXar busxon malvirtan kaj busxon malican ili malfermis kontraux mi, Ili parolas kun mi per mensogema lango.
3Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
3Per vortoj de malamo ili min cxirkauxis, Kaj ili militas kontraux mi sen mia kulpo.
4Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
4Por mia amo ili min malamas; Sed mi pregxas.
5Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
5Ili pagas al mi malbonon por bono Kaj malamon por mia amo.
6Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.[Na: aoka Satana]
6Metu malvirtulon super lin; Kaj kontrauxulo starigxu cxe lia dekstra mano.
7Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
7Kiam li estos jugxata, li eliru kulpa; Kaj lia pregxo estu peko.
8Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany.
8Liaj tagoj estu malmultaj; Lian oficon ricevu alia.
9Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
9Liaj infanoj estu orfoj, Kaj lia edzino estu vidvino.
10Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
10Liaj infanoj vagadu, Kaj ili petu kaj sercxu apud siaj ruinoj.
11Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany.
11Kreditoro forprenu cxion, kion li havas; Kaj fremduloj disrabu lian laboron.
12Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
12Neniu faru al li ion bonan; Kaj ne trovigxu kompatanto por liaj orfoj.
13Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany.
13Lia idaro estu kondamnita al ekstermo; En la dua generacio elvisxigxu ilia nomo.
14Aoka hotsarovan'i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
14La malbonago de liaj patroj rememorigxu al la Eternulo, Kaj la peko de lia patrino ne elvisxigxu.
15Aoka ho eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin'ny tany anie ny fahatsiarovana azy.
15Ili estu cxiam antaux la Eternulo, Kaj Li ekstermu la memoron pri ili de sur la tero.
16Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy;
16Pro tio, ke li ne memoris fari bonfarojn, Kaj ke li persekutis mizerulon kaj malricxulon kaj korsuferanton, Por lin mortigi.
17Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
17Li amis malbenon, kaj gxi venis sur lin; Li ne volis benon, kaj gxi malproksimigxis de li.
18Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin'ny taolany tahaka ny diloilo;
18Li metis sur sin malbenon, kiel veston; Kaj gxi penetris en lian internon, kiel akvo, Kaj en liajn ostojn, kiel oleo.
19Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
19GXi estu por li kiel vesto, per kiu li sin kovras, Kaj kiel zono, kiun li cxiam portas cxirkaux si.
20Izany no famaliana avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
20Tia estas de la Eternulo la agado kontraux miaj kontrauxuloj, Kaj kontraux tiuj, kiuj parolas malbonon kontraux mia animo.
21Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.
21Kaj Vi, ho Eternulo, mia Sinjoro, agu kun mi pro Via nomo; CXar bona estas Via favorkoreco, savu min.
22Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
22CXar mi estas malricxulo kaj mizerulo, Kaj mia koro estas rompita en mia interno.
23Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
23Kiel ombro longigxanta mi malaperas; Oni forskuas min kiel akridon.
24Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko.
24Miaj genuoj senfortigxis de fastado, Kaj mia karno perdis la grason.
25Ary izaho dia tonga fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
25Kaj mi farigxis mokatajxo por ili; Kiam ili vidas min, ili balancas sian kapon.
26Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
26Helpu min, ho Eternulo, mia Dio; Savu min laux Via boneco.
27Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
27Kaj oni sciu, ke tio estas Via mano; Ke Vi, ho Eternulo, tion faris.
28Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
28Ili malbenas, sed Vi benu; Ili levigxis, sed ili estos hontigitaj, kaj Via sklavo gxojos.
29Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
29Miaj kontrauxuloj kovrigxu per malhonoro, Kaj ili envolvigxu en sian honton kiel en veston.
30Hidera an'i Jehovah indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako Azy.Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.
30Mi forte gloros la Eternulon per mia busxo, Kaj meze de multaj homoj mi Lin lauxdos.
31Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.
31CXar Li staras cxe la dekstra flanko de malricxulo, Por savi lin de tiuj, kiuj jugxas lian animon.