1[Fahatokian'izay manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy] Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy]
1Kanto de suprenirado. Mi levas miajn okulojn al la montoj: De kie venas al mi helpo?
2Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
2Mia helpo venas de la Eternulo, Kiu kreis la cxielon kaj la teron.
3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
3Li ne lasos vian piedon falpusxigxi; Via gardanto ne dormetas.
4Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
4Jen ne dormetas kaj ne dormas La gardanto de Izrael.
5Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
5La Eternulo estas via gardanto; La Eternulo estas via ombro cxe via dekstra mano.
6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
6En la tago la suno vin ne frapos, Nek la luno en la nokto.
7Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
7La Eternulo vin gardos de cxia malbono, Li gardos vian animon.
8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
8La Eternulo gardos vian eliron kaj eniron, De nun kaj eterne.