1[Fifaliana ny amin'i Jerosalema sy fangatahan-tsoa ho azy] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
1Kanto de suprenirado. De David. Mi ekgxojis, kiam oni diris al mi: Ni iru en la domon de la Eternulo.
2Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
2Niaj piedoj staris en viaj pordegoj, Ho Jerusalem,
3Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
3Vi Jerusalem, konstruita kiel urbo, En kiu cxio kunigxis.
4Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah.
4Tien supreniris la triboj, la triboj de la Eternulo, Laux la moro de Izrael, Por glori la nomon de la Eternulo.
5Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.
5CXar tie staris tronoj de jugxo, Tronoj de la domo de David.
6Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
6Deziru pacon al Jerusalem; Bonan staton havu viaj amantoj.
7Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao
7Paco estu inter viaj muroj, Bonstato en viaj palacoj.
8Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.
8Pro miaj fratoj kaj amikoj mi do diru: Paco estu al vi.
9Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.
9Pro la domo de la Eternulo, nia Dio, Mi deziras al vi bonon.