Malagasy

Esperanto

Psalms

136

1[Fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
1Gloru la Eternulon, cxar Li estas bona, CXar eterna estas Lia boneco.
2Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.[Heb. Andriamanitry ny andriamanitra]
2Gloru la Dion de la dioj, CXar eterna estas Lia boneco.
3Miderà ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
3Gloru la Sinjoron de la sinjoroj, CXar eterna estas Lia boneco.
4Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
4La sola faranto de grandaj mirakloj, CXar eterna estas Lia boneco;
5Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
5Kiu sagxege kreis la cxielon, CXar eterna estas Lia boneco;
6Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
6Kiu etendis la teron super la akvo, CXar eterna estas Lia boneco;
7Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
7Kiu kreis grandajn lumojn, CXar eterna estas Lia boneco;
8Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
8La sunon, por regi en la tago, CXar eterna estas Lia boneco;
9Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
9La lunon kaj la stelojn, por regi en la nokto, CXar eterna estas Lia boneco;
10Izay namely ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
10Kiu batis Egiptujon en gxiaj unuenaskitoj, CXar eterna estas Lia boneco;
11Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
11Kaj elkondukis el gxia mezo Izraelon, CXar eterna estas Lia boneco;
12Tamin'ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
12Per forta mano kaj etendita brako, CXar eterna estas Lia boneco;
13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
13Kiu fendis la Rugxan Maron en du partojn, CXar eterna estas Lia boneco;
14Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
14Kaj trairigis Izraelon tra gxi, CXar eterna estas Lia boneco;
15Fa nanary an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
15Kaj enjxetis Faraonon kaj lian militistaron en la Rugxan Maron, CXar eterna estas Lia boneco;
16Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
16Kiu kondukis Sian popolon tra la dezerto, CXar eterna estas Lia boneco;
17Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
17Kiu batis grandajn regxojn, CXar eterna estas Lia boneco;
18Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
18Kaj mortigis regxojn potencajn, CXar eterna estas Lia boneco;
19Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
19Sihxonon, regxon de la Amoridoj, CXar eterna estas Lia boneco;
20Sy Oga, mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
20Kaj Ogon, regxon de Basxan, CXar eterna estas Lia boneco;
21Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
21Kaj donis ilian landon kiel heredon, CXar eterna estas Lia boneco;
22Dia ho lovan'ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
22Heredon al Lia sklavo Izrael, CXar eterna estas Lia boneco;
23Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
23Kiu rememoris nin, kiam ni estis humiligitaj, CXar eterna estas Lia boneco;
24Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
24Kaj liberigis nin de niaj premantoj, CXar eterna estas Lia boneco;
25Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
25Kiu donas panon al cxiu karno, CXar eterna estas Lia boneco.
26Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
26Gloru la Dion de la cxielo, CXar eterna estas Lia boneco.