1[Fahatsiarovana ny alahelon'ny babo tany Babylona] Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.
1Apud la riveroj de Babel Ni sidis kaj ploris, Rememorante Cionon.
2Teo amin'ny hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
2Sur la salikoj tie Ni pendigis niajn harpojn.
3Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay.
3CXar tie niaj kaptintoj postulis de ni kantojn, Kaj niaj mokantoj gxojon, dirante: Kantu al ni el la kantoj de Cion.
4Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?
4Kiel ni kantos sur fremda tero La kanton de la Eternulo?
5Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
5Se mi forgesos vin, ho Jerusalem, Tiam forgesigxu mia dekstra mano;
6Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra.
6Algluigxu mia lango al mia palato, Se mi vin ne memoros, Se mi ne levos Jerusalemon en la supron de miaj gxojoj.
7Jehovah ô, tsarovy amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin'ny fanorenany.
7Rememorigu, ho Eternulo, al la filoj de Edom La tagon de Jerusalem, kiam ili diris: Detruu, detruu gxis gxia fundamento.
8Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.[Na: ho resy]Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.
8Ho ruinigema filino de Babel! Bone estos al tiu, Kiu repagos al vi por la faro, kiun vi faris al ni.
9Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.
9Bone estos al tiu, Kiu prenos kaj frakasos viajn infanetojn sur sxtono.