1[Fiantsoana izao rehetra izao hidera an'Andriamanitra] Haleloia. Miderà an'i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
1Haleluja! Gloru la Eternulon el la cxielo, Gloru Lin en la alto.
2Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
2Gloru Lin, cxiuj Liaj angxeloj; Gloru Lin, cxiuj Liaj militistaroj.
3Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
3Gloru Lin, suno kaj luno; Gloru Lin, cxiuj lumaj steloj.
4Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin'ny lanitra.
4Gloru Lin, plej supraj cxieloj, Kaj la akvo, kiu estas super la cxielo.
5Aoka hidera ny anaran'i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
5Ili gloru la nomon de la Eternulo; CXar Li ordonis, kaj ili kreigxis.
6Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
6Kaj Li starigis ilin por cxiam, por eterne; Li donis legxon, kiun ili ne malobeos.
7Midera an'i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
7Gloru la Eternulon el la tero, Marmonstroj kaj cxiuj abismoj;
8Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
8Fulmo kaj hajlo, negxo kaj nebulo, Ventego, kiu plenumas Lian vorton;
9Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
9Montoj kaj cxiuj montetoj, Fruktoportaj arboj kaj cxiuj cedroj;
10Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
10Bestoj kaj cxiaj brutoj, Rampajxoj kaj flugilaj birdoj;
11Ny mpanjaka amin'ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin'ny tany,
11Regxoj de la tero kaj cxiuj popoloj, Princoj kaj cxiuj jugxantoj sur la tero;
12Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
12Junuloj kaj junulinoj, Maljunuloj kaj knaboj.
13Samia midera ny anaran'i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin'ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
13Ili gloru la nomon de la Eternulo, CXar sole Lia nomo estas alta, Lia majesto estas sur la tero kaj en la cxielo.
14Ary manandratra tandroka ho an'ny olony Izy, Dia fiderana ho an'ny olony masina rehetra, Eny, ho an'ny Zanak'Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
14Kaj Li altigis la kornon de Sia popolo, La gloron de cxiuj Liaj fideluloj, De la filoj de Izrael, Lia plej proksima popolo. Haleluja!