Malagasy

Esperanto

Psalms

68

1[Fankalazana an'Andriamanitra noho ny fitondrany ny Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
1Al la hxorestro. De David. Psalmo-kanto. Levigxu Dio, disjxetigxu Liaj malamikoj, Kaj forkuru Liaj malamantoj for de Li.
2Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.
2Kiel dispeligxas fumo, tiel Vi ilin dispelu; Kiel vakso fandigxas de fajro, tiel pereu la malvirtuloj antaux Dio.
3Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa.
3Sed la virtuloj gxojos, gajos antaux Dio, Kaj triumfos gxojege.
4Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
4Kantu al Dio, muziku al Lia nomo, Gloru la veturantan sur la nuboj; Lia nomo estas JAH; gxoju antaux Li.
5Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.
5Patro de la orfoj kaj jugxanto de la vidvinoj Estas Dio en Sia sankta logxejo.
6Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina.
6Dio donas domon al soluloj, Elirigas malliberulojn en liberecon; Nur la ribeluloj restas en dezerto.
7Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,
7Ho Dio, kiam Vi iris antaux Via popolo, Kiam Vi pasxis en la dezerto, Sela.
8Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
8La tero tremis kaj la cxielo fandigxis de la vizagxo de Dio, Tiu Sinaj tremis de la vizagxo de Dio, Dio de Izrael.
9Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
9Bonfaran pluvon Vi versxis, ho Dio, sur Vian heredon, Kaj kiam gxi perdis la fortojn, Vi gxin vigligis.
10Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.[Heb. bibinao]
10Via gento eklogxis tie; Vi pretigis per Via boneco cxion por la malricxulo, ho Dio.
11Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
11Mia Sinjoro elparolas vorton; Kaj grandega estas la nombro de la anoncantinoj.
12Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
12Regxoj de armeoj forkuras, forkuras; Kaj la hejmesidantino dividas akiron.
13Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara
13Kiam vi kusxas inter brutejoj, La flugiloj de kolombo estas kovritaj de argxento, Kaj gxiaj plumoj de brilanta oro.
14Raha aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
14Kiam la Plejpotenculo dismetis regxojn sur la tero, GXi brilis kiel negxo sur Calmon.
15Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana.
15Monto de Dio estas la monto Basxana, Monto multepinta estas la monto Basxana.
16Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
16Kial vi, montoj multepintaj, envie rigardas la monton, Kiun Dio elektis, por sidi sur gxi, Kaj sur kiu la Eternulo logxos eterne?
17Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina.[Na: amin'ny fahamasinana]
17Da veturiloj de Dio ekzistas multaj miloj da miloj; Inter ili estas mia Sinjoro sur la sankta Sinaj.
18Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any.[Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra aza mba hitoeranay ao amin'i Jehovah Andriamanitra]
18Vi supreniris alten, alkondukis kaptitojn, Prenis donacojn de homoj, Kaj ecx ribeluloj povas logxi cxe la Eternulo, la Dio.
19Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Na: Isaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo; Raha misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan'andro isan'andro]
19Glorata estu mia Sinjoro, cxiutage Li zorgas pri ni; Dio estas nia savo. Sela.
20Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana amin'ny fahafatesana.
20Dio estas por ni Dio de savo, Kaj la Eternulo, mia Sinjoro, savas de la morto.
21Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan'ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an'izay mandroso amin'ny fahadisoany.
21Jes, Dio frakasas la kapon de Siaj malamikoj, La multeharan kranion de tiuj, kiuj obstinas en siaj pekoj.
22Lazain'ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,
22Mia Sinjoro diris:El Basxan Mi alkondukos, Mi alkondukos el la profundeco de la maro;
23Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran'ny lelan'ny amboanao ny fahavalo.
23Por ke vi trempu vian piedon en sango, Kaj la lango de viaj hundoj gxuu de viaj malamikoj.
24Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina.[Na: amin'ny fahamasinana]
24Oni vidis Vian iron, ho Dio, La iron de mia Dio, mia Regxo, en la sanktejo.
25Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan'ny zatovovavy mively ampongatapaka.
25Antauxe iris kantistoj, poste kordinstrumentistoj, En la mezo de knabinoj tamburinistinoj.
26Misaora an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin'ny loharanon'ny Isiraely.
26En la kunvenoj gloru Dion, mian Sinjoron, Vi, devenantoj de Izrael.
27Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
27Tie estas Benjamen, la plej juna, ilia reganto; La princoj de Jehuda kaj iliaj amasoj; La princoj de Zebulun kaj de Naftali.
28Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
28Via Dio destinis vian forton. Fortikigu, ho Dio, tion, kion Vi faris por ni.
29Noho ny tempolinao eo an-tampon'i Jerosalema, no hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.[Na: Avy amin']
29Pro Via templo en Jerusalem La regxoj alportos al Vi donacojn.
30Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
30Kvietigu la beston en la kanoj, La aron da bovoj kun la bovidoj, Popoloj, kiuj humiligxas pro pecoj da argxento. Li dispelas la popolojn, kiuj deziras batalojn.
31Ho avy ny tremalahin'i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin'Andriamanitra.
31Venos eminentuloj el Egiptujo; Etiopujo rapidos, por etendi siajn manojn al Dio.
32Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,
32Regnoj de la tero, kantu al Dio, Muziku al mia Sinjoro, Sela.
33Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
33Kiu regas en la cxielo de la eternaj cxieloj. Jen Li tondras per Sia vocxo, forta vocxo.
34Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra.Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
34Gloru la forton de Dio! Super Izrael estas Lia majesto, Kaj Lia potenco estas en la nuboj.
35Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
35Timinda Vi estas, ho Dio, en Via sanktejo. Li estas la Dio de Izrael, Li donas forton kaj potencon al la popolo. Glorata estu Dio.