1[Fitarainan'izay nenjehina sy nampahorina noho ny amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano.
1Al la hxorestro. Por sxosxanoj. De David. Savu min, ho Dio; CXar la akvoj venis gxis mia animo.
2Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
2Mi profundigxis en profundan marcxon, kaj mi ne havas, sur kio stari; Mi enfalis en la profundon de la akvo, kaj la fluo min forportas.
3Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho.
3Mi senfortigxis de mia kriado, sekigxis mia gorgxo; Lacigxis miaj okuloj de la atendado de mia Dio.
4Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
4Pli multaj ol la haroj de mia kapo estas miaj senkauxzaj malamantoj; Fortigxis miaj premantoj, miaj maljustaj malamikoj; Kion mi ne rabis, tion mi devas fordoni.
5Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.
5Ho Dio, Vi scias mian malsagxecon; Kaj miaj kulpoj ne estas kasxitaj por Vi.
6Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
6Ne hontigxu per mi tiuj, kiuj esperas al Vi, ho mia Sinjoro, Eternulo Cebaot! Ne hontigxu per mi tiuj, kiuj Vin sercxas, ho Dio de Izrael!
7Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
7CXar pro Vi mi portas malhonoron, Honto kovras mian vizagxon.
8Efa vahiny amin'ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin'ny zanak'ineny aho.
8Mi farigxis fremda por miaj fratoj, Nekonato por la filoj de mia patrino.
9Fa ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
9CXar fervoro pri Via domo min konsumis, Kaj la insultoj de Viaj insultantoj falis sur min.
10Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
10Kaj mi ploras, mia animo estas en fasto, Kaj pri tio oni min hontigas.
11Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin'ireny aho.
11Kiel veston mi metis sur min sakon, Kaj mi farigxis moka ekzemplo por ili.
12Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon'ny mpisotro toaka an-kira aho.
12Parolas pri mi la sidantoj cxe la pordego, Kaj la drinkantoj kantas pri mi.
13Fa izaho hivavaka aminao amin'ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô noho ny haben'ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan'ny famonjenao.
13Kaj mi pregxas al Vi, ho Eternulo, en favora tempo; Ho Dio, pro Via granda boneco respondu al mi per Via vera helpo.
14Afaho amin'ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin'izay mankahala ahy sy amin'ny rano lalina.
14Eligu min el la sxlimo, ke mi ne dronu; Mi estu savita kontraux miaj malamantoj kaj el profunda akvo.
15Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.
15Ne fortiru min fluo de la akvo, Ne englutu min profundo, Kaj abismo ne fermu super mi sian busxon.
16Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben'ny fiantranao.
16Auxskultu min, ho Eternulo, cxar bona estas Via favorkoreco; Laux Via kompatemeco turnu Vin al mi.
17Ary aza manafina ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.
17Kaj ne kasxu antaux Via sklavo Vian vizagxon, cxar mi suferas; Rapidu, auxskultu min.
18Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon'ny fahavaloko.
18Alproksimigxu al mia animo, savu gxin; Spite miajn malamikojn liberigu min.
19Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
19Vi scias mian malhonoron kaj mian honton kaj mian mokatecon; Antaux Vi estas cxiuj miaj premantoj.
20Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.
20Honto rompis mian koron, kaj mi senfortigxis; Mi atendis kompatantojn, sed ili forestis; Konsolantojn, sed mi ne trovis.
21Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
21Kaj ili donis al mi por mangxo galon, Kaj en mia soifo ili trinkigis al mi vinagron.
22Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy.
22Ilia tablo antaux ili farigxu reto, Kaj ilia prospero farigxu kaptilo.
23Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
23Mallumigxu iliaj okuloj, ke ili ne vidu; Kaj iliajn lumbojn malfortigu por cxiam.
24Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao.
24Versxu sur ilin Vian furiozon, Kaj la flamo de Via kolero ilin ataku.
25Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
25Ilia logxejo dezertigxu, En iliaj tendoj ne ekzistu logxanto.
26Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.
26CXar tiun, kiun Vi frapis, ili persekutas, Kaj la suferojn de Viaj batitoj ili rakontas.
27Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.
27Aldonu kulpon al ilia kulpo, Ke ili ne atingu Vian bonecon.
28Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina.
28Ili estu elstrekitaj el la libro de vivantoj, Kaj ili ne estu skribitaj kune kun virtuloj.
29Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
29Sed mi estas malricxa kaj suferanta; Via helpo min defendu, ho Dio.
30Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.
30Mi gloros la nomon de Dio per kanto, Kaj mi rakontos en danko Lian grandecon.
31Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
31Kaj gxi estos pli agrabla al la Eternulo, Ol bovo aux bovido kun kornoj kaj fendohavaj hufoj.
32Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.
32Vidos humiluloj kaj gxojos! Ho sercxantoj de Dio, via koro revivigxu.
33Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.
33CXar la Eternulo auxskultas humilulojn, Kaj Siajn malliberulojn Li ne malsxatas.
34Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
34Gloru Lin la cxielo kaj la tero, La maroj, kaj cxio, kio en ili movigxas.
35Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
35CXar Dio helpos Cionon kaj konstruos la urbojn de Judujo, Ke oni tie logxos kaj ilin heredos.
36Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
36Kaj la idaro de Liaj sklavoj gxin heredos, Kaj la amantoj de Lia nomo logxos en gxi.