1[Vavaka ataon'izay mahatsiaro ny famindram-pon'Andriamanitra taminy hatry ny fony tanora] Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
1Vin, ho Eternulo, mi fidas: Mi neniam estu hontigita.
2Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
2Per Via justeco savu min kaj liberigu min; Klinu al mi Vian orelon, kaj helpu min.
3Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
3Estu por mi fortika roko, kien mi povus cxiam veni, Kiun Vi destinis por mia savo; CXar Vi estas mia roko kaj mia fortikajxo.
4Andriamanitro ô, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny lozabe.
4Ho mia Dio, liberigu min el la mano de malbonulo, El la mano de krimulo kaj premanto.
5Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
5CXar Vi estas mia espero, ho mia Sinjoro; La Eternulo estas mia fido de post mia juneco.
6Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.[Na: no Mpiaro, na Mpanisy soa, ahy hatry, etc]
6Vin mi fidis de la embrieco, De la ventro de mia patrino Vi estas mia protektanto; Vin mi cxiam gloros.
7Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
7Mirindajxo mi estis por multaj; Kaj Vi estas mia forta rifugxejo.
8Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
8Mia busxo estas plena de glorado por Vi, CXiutage de Via majesto.
9Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
9Ne forpusxu min en la tempo de maljuneco; Kiam konsumigxos miaj fortoj, tiam ne forlasu min.
10Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
10CXar miaj malamikoj parolas pri mi, Kaj tiuj, kiuj insidas kontraux mia animo, konsiligxas inter si,
11Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
11Dirante:Dio lin forlasis; Persekutu kaj kaptu lin, cxar neniu lin savos.
12Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
12Ho Dio, ne malproksimigxu de mi; Ho mia Dio, rapidu, por helpi min.
13Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
13Estu hontigitaj kaj malaperu la persekutantoj de mia animo; De honto kaj malhonoro estu kovritaj tiuj, kiuj deziras al mi malbonon.
14Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
14Kaj mi cxiam fidos Kaj cxiam pligrandigos Vian gloron.
15Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
15Mia busxo rakontos Vian justecon, CXiutage Vian helpon, CXar mi ne povus cxion elkalkuli.
16Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
16Mi gloros la fortojn de mia Sinjoro, la Eternulo; Mi rakontos nur Vian justecon.
17Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
17Ho Dio, Vi instruis min detempe de mia juneco; Kaj gxis nun mi predikas pri Viaj mirakloj.
18Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy.
18Ankaux gxis la maljuneco kaj grizeco ne forlasu min, ho Dio, GXis mi rakontos pri Via brako al la estonta generacio, Pri Via forto al cxiuj venontoj.
19Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
19Via justeco, ho Dio, estas tre alta; En la grandaj faroj, kiujn Vi plenumis, Ho Dio, kiu Vin egalas?
20Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany.[Na: anay]
20Vi vidigis al mi grandajn kaj kruelajn suferojn, Sed Vi denove min vivigis, Kaj el la abismoj de la tero Vi denove min eligis.
21Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
21Vi pliigas mian grandecon Kaj denove min konsolas.
22Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô.
22Kaj mi gloros Vin per psaltero por Via fideleco, ho mia Dio; Mi kantos al Vi per harpo, Ho Sanktulo de Izrael!
23Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
23GXojas miaj lipoj, kiam mi kantas al Vi; Kaj mia animo, kiun Vi savis.
24Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.
24Kaj mia lango cxiutage rakontas Vian justecon; CXar hontigitaj kaj malhonoritaj estas tiuj, kiuj deziras al mi malbonon.