1[Ny handrosoan'ny fanjakan'ny mpanjaka voatendrin'Andriamanitra] Nataon'i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an'ny mpanjaka ny fitsarànao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
1Pri Salomono. Ho Dio, Vian jugxon donu al la regxo Kaj Vian justecon al la regxido.
2Hitsara ny olonao amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.[Na: Aoka, etc]
2Li jugxu Vian popolon kun vero Kaj Viajn prematojn kun justeco.
3Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.
3La montoj alportu al la popolo pacon, Ankaux la montetoj, per justeco.
4Hitsara2 ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
4Li jugxu la prematojn en la popolo, Li savu la filojn de senhavulo, Kaj li dispremu la premanton.
5Hatahotra2 anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
5Oni timu Vin tiel longe, kiel ekzistos la suno kaj la luno, De generacioj al generacioj.
6Hidina2 tahaka ny ranonorana amin'ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny tany.
6Li mallevigxu, kiel pluvo sur falcxitan herbejon; Kiel gutoj, kiuj malsekigas la teron.
7Ny2 marina hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
7En liaj tagoj floru virtulo kaj granda paco, GXis ne plu ekzistos la luno.
8Ary hanjaka hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.[Eofrata]
8Li regu de maro gxis maro Kaj de la Rivero gxis la finoj de la tero.
9Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
9Klinigxu antaux li la dezertanoj, Kaj liaj malamikoj leku polvon.
10Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
10La regxoj de Tarsxisx kaj de la insuloj alportu donacojn; La regxoj de SXeba kaj Seba venigu donojn.
11Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
11Klinigxu antaux li cxiuj regxoj; CXiuj popoloj lin servu.
12Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
12CXar li savos ploregantan malricxulon Kaj senhelpan mizerulon.
13Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.
13Li estos favorkora por malricxulo kaj senhavulo, Kaj li savos la animojn de mizeruloj.
14Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.
14De malico kaj krimo li savos iliajn animojn; Kaj kara estos ilia sango en liaj okuloj.
15Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.[Na: Dia ho velona Izy ka homena]
15Kaj li vivu, kaj oni donu al li el la oro de SXeba; Kaj oni cxiam pregxu por li, kaj cxiutage oni lin benu.
16Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.
16Estu multe da greno en la lando; Sur la supro de la montoj gxiaj spikoj ondigxu kiel Lebanon; Kaj en la urboj cxio floru, kiel herbo sur la tero.
17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.[Izaho Gen.xxii. 18]
17Lia nomo estu eterna; Tiel longe, kiel ekzistas la suno, kresku lia nomo; CXiuj popoloj sin benu per li kaj gloru lin.
18Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
18Glorata estu Dio la Eternulo, Dio de Izrael, Kiu sola faras miraklojn.
19Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
19Kaj lauxdata estu Lia glora nomo eterne; Kaj Lia gloro plenigu la tutan teron. Amen, kaj amen!
20Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
20Finigxis la pregxoj de David, filo de Jisxaj.