Malagasy

Esperanto

Psalms

80

1[Fivavahana ho an'ny Isiraely, voalobok'i Jehovah] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.
1Al la hxorestro. Por sxosxanoj. Atesto de Asaf. Psalmo. Ho Pasxtisto de Izrael, auxskultu; Vi, kiu kondukas Jozefon, kiel sxafojn, Vi, kiu sidas sur keruboj, aperu!
2Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
2Antaux Efraim kaj Benjamen kaj Manase veku Vian forton, Kaj venu, por savi nin.
3Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
3Ho Dio, revenigu nin kaj lumigu Vian vizagxon, Por ke ni estu savitaj.
4Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza ny olonao]
4Ho Eternulo, Dio Cebaot, GXis kiam Vi kolere repusxos la pregxon de Via popolo?
5Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
5Vi mangxigis al ili panon larman, Kaj Vi trinkigis al ili larmojn per granda mezuro.
6Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
6Vi faris nin objekto de disputo por niaj najbaroj; Kaj niaj malamikoj nin mokas.
7Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
7Ho Dio Cebaot! revenigu nin kaj lumigu Vian vizagxon, Por ke ni estu savitaj.
8Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
8Vinberbrancxon el Egiptujo Vi elportis, Vi forpelis popolojn kaj gxin plantis;
9Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
9Vi purigis lokon por gxi; Kaj gxi profundigis siajn radikojn kaj plenigis la tutan landon;
10Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.[Heb: sederan'Andriamanitra]
10Montojn kovris gxia ombro, Kaj gxiaj brancxoj farigxis kiel cedroj de Dio.
11Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony.[Eofrata]
11GXi etendis siajn brancxojn gxis la maro Kaj siajn brancxetojn gxis la Rivero.
12Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
12Kial Vi detruis gxiajn barilojn, Ke cxiuj pasantoj gxin sxiras?
13Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
13Subfosas gxin arbara apro, Kaj kampa besto gxin mordas.
14Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
14Ho Dio Cebaot, returnigxu; Rigardu el la cxielo kaj vidu, kaj rememoru tiun vinbertrunkon,
15Arovy izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na: Dia]
15Kaj sxirmu tion, kion plantis Via dekstra mano, Kaj la kreskajxidon, kiun Vi fortikigis por Vi.
16Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.
16GXi estas bruligita de fajro, krevinta; De Via minaca vizagxo ili pereis.
17Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
17Via brako estu super la viro de Via dekstra mano, Super la homido, kiun Vi fortikigis por Vi.
18Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
18Kaj ni ne foriros de Vi; Vivigu nin, kaj ni vokos Vian nomon.
19Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
19Ho Eternulo, Dio Cebaot! revenigu nin, lumigu Vian vizagxon, Por ke ni estu savitaj.