Malagasy

Esperanto

Psalms

81

1[Fiantsoana ny Isiraelita hifaly amin'Andriamanitra noho ny nitondràny azy nivoaka avy tany Egypta] Ho an'ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon'i Asafa. Mihobia ho an'Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
1Al la hxorestro. Por la gitito. De Asaf. Lauxte kantu al Dio, nia forto; GXoje kriu al la Dio de Jakob.
2Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha.
2Sonigu kanton, donu tamburinon, CXarman harpon, kaj psalteron.
3Tsofy ny anjomara amin'ny volana; eny, amin'ny feno-volana, dia amin'ny andro firavoravoantsika.
3Muziku per korno en novmonato, Je la plenluno, en la tago de nia festo.
4Fa lalàna ho an'ny Isiraely izany, ary fitsipik'Andriamanitr'i Jakoba.
4CXar gxi estas legxo por Izrael Kaj ordono de la Dio de Jakob.
5Notendreny ho vavolombelona eo amin'i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.
5Li arangxis gxin kiel ateston por Jozef, Kiam Li eliris kontraux la landon Egiptan. Lingvon, kiun mi ne konas, mi auxdis:
6Nampiala ny sorony tamin'ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
6Mi liberigis lian dorson de sxargxo, Liaj manoj liberigxis de korboj.
7Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin'ny fiafenan'ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin'ny ranon'i Meriba.
7En la mizero vi vokis, kaj Mi vin helpis; Mi respondis al vi en mistera loko de tondro; Mi esploris vin cxe la akvo de Malpaco. Sela.
8Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
8Auxdu, ho Mia popolo, Mi atestos al vi; Ho Izrael, se vi Min auxskultus!
9Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny firenena hafa.
9Ne estu cxe vi alia dio; Kaj ne adoru fremdan dion.
10Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
10Mi estas la Eternulo, via Dio, Kiu elkondukis vin el la lando Egipta; Malfermu largxe vian busxon, kaj Mi gxin plenigos.
11Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;
11Sed Mia popolo ne auxskultis Mian vocxon, Izrael ne obeis Min.
12Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany.
12Kaj Mi lasis ilin al la kaprico de ilia koro, Ke ili iru laux siaj intencoj.
13Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely;
13Ho, se Mia popolo auxskultus Min, Se Izrael irus per Miaj vojoj!
14Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
14Rapide Mi faligus iliajn malamikojn, Kaj kontraux iliajn premantojn Mi direktus Mian manon.
15Izay mankahala an'i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron'ny oloko;Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.
15La malamantoj de la Eternulo humiligxus antaux Li, Kaj ilia bonstato estus eterna.
16Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.
16Kaj Mi mangxigus al ili grason de tritiko, Kaj Mi satigus vin per mielo el roko.