1Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
1Maintenant donc, Job, écoute mes discours, Prête l'oreille à toutes mes paroles!
2Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
2Voici, j'ouvre la bouche, Ma langue se remue dans mon palais.
3Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
3C'est avec droiture de coeur que je vais parler, C'est la vérité pure qu'exprimeront mes lèvres:
4Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.
4L'esprit de Dieu m'a créé, Et le souffle du Tout-Puissant m'anime.
5Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
5Si tu le peux, réponds-moi, Défends ta cause, tiens-toi prêt!
6Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.
6Devant Dieu je suis ton semblable, J'ai été comme toi formé de la boue;
7Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
7Ainsi mes terreurs ne te troubleront pas, Et mon poids ne saurait t'accabler.
8Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:
8Mais tu as dit à mes oreilles, Et j'ai entendu le son de tes paroles:
9Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
9Je suis pur, je suis sans péché, Je suis net, il n'y a point en moi d'iniquité.
10He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
10Et Dieu trouve contre moi des motifs de haine, Il me traite comme son ennemi;
11Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
11Il met mes pieds dans les ceps, Il surveille tous mes mouvements.
12He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.
12Je te répondrai qu'en cela tu n'as pas raison, Car Dieu est plus grand que l'homme.
13Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony? [Na: Noho ny tsy amaliany ny tenin'olombelona?]
13Veux-tu donc disputer avec lui, Parce qu'il ne rend aucun compte de ses actes?
14Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,
14Dieu parle cependant, tantôt d'une manière, Tantôt d'une autre, et l'on n'y prend point garde.
15Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
15Il parle par des songes, par des visions nocturnes, Quand les hommes sont livrés à un profond sommeil, Quand ils sont endormis sur leur couche.
16Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
16Alors il leur donne des avertissements Et met le sceau à ses instructions,
17Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
17Afin de détourner l'homme du mal Et de le préserver de l'orgueil,
18Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.
18Afin de garantir son âme de la fosse Et sa vie des coups du glaive.
19Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;
19Par la douleur aussi l'homme est repris sur sa couche, Quand une lutte continue vient agiter ses os.
20Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.
20Alors il prend en dégoût le pain, Même les aliments les plus exquis;
21Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
21Sa chair se consume et disparaît, Ses os qu'on ne voyait pas sont mis à nu;
22Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
22Son âme s'approche de la fosse, Et sa vie des messagers de la mort.
23Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona,
23Mais s'il se trouve pour lui un ange intercesseur, Un d'entre les mille Qui annoncent à l'homme la voie qu'il doit suivre,
24Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,[Na: Dia]
24Dieu a compassion de lui et dit à l'ange: Délivre-le, afin qu'il ne descende pas dans la fosse; J'ai trouvé une rançon!
25Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy;
25Et sa chair a plus de fraîcheur qu'au premier âge, Il revient aux jours de sa jeunesse.
26Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy]
26Il adresse à Dieu sa prière; et Dieu lui est propice, Lui laisse voir sa face avec joie, Et lui rend son innocence.
27Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
27Il chante devant les hommes et dit: J'ai péché, j'ai violé la justice, Et je n'ai pas été puni comme je le méritais;
28Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava.
28Dieu a délivré mon âme pour qu'elle n'entrât pas dans la fosse, Et ma vie s'épanouit à la lumière!
29Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza,
29Voilà tout ce que Dieu fait, Deux fois, trois fois, avec l'homme,
30Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina.[Na: hiala]
30Pour ramener son âme de la fosse, Pour l'éclairer de la lumière des vivants.
31Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
31Sois attentif, Job, écoute-moi! Tais-toi, et je parlerai!
32Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
32Si tu as quelque chose à dire, réponds-moi! Parle, car je voudrais te donner raison.
33Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
33Si tu n'as rien à dire, écoute-moi! Tais-toi, et je t'enseignerai la sagesse.