Malagasy

French 1910

Job

34

1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
1Elihu reprit et dit:
2Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
2Sages, écoutez mes discours! Vous qui êtes intelligents, prêtez-moi l'oreille!
3Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.[Heb. lanilany]
3Car l'oreille discerne les paroles, Comme le palais savoure les aliments.
4Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
4Choisissons ce qui est juste, Voyons entre nous ce qui est bon.
5Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny;
5Job dit: Je suis innocent, Et Dieu me refuse justice;
6Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
6J'ai raison, et je passe pour menteur; Ma plaie est douloureuse, et je suis sans péché.
7Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano.
7Y a-t-il un homme semblable à Job, Buvant la raillerie comme l'eau,
8Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy?
8Marchant en société de ceux qui font le mal, Cheminant de pair avec les impies?
9Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra.
9Car il a dit: Il est inutile à l'homme De mettre son plaisir en Dieu.
10Koa amin'izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
10Ecoutez-moi donc, hommes de sens! Loin de Dieu l'injustice, Loin du Tout-Puissant l'iniquité!
11Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
11Il rend à l'homme selon ses oeuvres, Il rétribue chacun selon ses voies.
12Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
12Non certes, Dieu ne commet pas l'iniquité; Le Tout-Puissant ne viole pas la justice.
13Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
13Qui l'a chargé de gouverner la terre? Qui a confié l'univers à ses soins?
14Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
14S'il ne pensait qu'à lui-même, S'il retirait à lui son esprit et son souffle,
15Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona.
15Toute chair périrait soudain, Et l'homme rentrerait dans la poussière.
16Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
16Si tu as de l'intelligence, écoute ceci, Prête l'oreille au son de mes paroles!
17Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
17Un ennemi de la justice régnerait-il? Et condamneras-tu le juste, le puissant,
18(Mety va ny miteny amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!),
18Qui proclame la méchanceté des rois Et l'iniquité des princes,
19Dia Ilay tsy mizaha ny tavan'ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan'ny tànany avokoa izy rehetra.
19Qui n'a point égard à l'apparence des grands Et ne distingue pas le riche du pauvre, Parce que tous sont l'ouvrage de ses mains?
20Maty amin'ny indray mipi-maso monja amin'ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
20En un instant, ils perdent la vie; Au milieu de la nuit, un peuple chancelle et périt; Le puissant disparaît, sans la main d'aucun homme.
21Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
21Car Dieu voit la conduite de tous, Il a les regards sur les pas de chacun.
22Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren'ny mpanao ratsy.
22Il n'y a ni ténèbres ni ombre de la mort, Où puissent se cacher ceux qui commettent l'iniquité.
23Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
23Dieu n'a pas besoin d'observer longtemps, Pour qu'un homme entre en jugement avec lui;
24Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
24Il brise les grands sans information, Et il met d'autres à leur place;
25Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy.
25Car il connaît leurs oeuvres. Il les renverse de nuit, et ils sont écrasés;
26Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo eo imason'ny vahoaka.[Na: Mamely azy toy ny famely ny ratsy fanahy Izy]
26Il les frappe comme des impies, A la face de tous les regards.
27Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
27En se détournant de lui, En abandonnant toutes ses voies,
28Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory.
28Ils ont fait monter à Dieu le cri du pauvre, Ils l'ont rendu attentif aux cris des malheureux.
29Mangina Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny firenena, na amin'ny olona tsirairay,[Na: Manome fiadanana]
29S'il donne le repos, qui répandra le trouble? S'il cache sa face, qui pourra le voir? Il traite à l'égal soit une nation, soit un homme,
30Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
30Afin que l'impie ne domine plus, Et qu'il ne soit plus un piège pour le peuple.
31Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;[Na: nijaly]
31Car a-t-il jamais dit à Dieu: J'ai été châtié, je ne pécherai plus;
32Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
32Montre-moi ce que je ne vois pas; Si j'ai commis des injustices, je n'en commettrai plus?
33Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona Fa efa nandà, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho]
33Est-ce d'après toi que Dieu rendra la justice? C'est toi qui rejettes, qui choisis, mais non pas moi; Ce que tu sais, dis-le donc!
34Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
34Les hommes de sens seront de mon avis, Le sage qui m'écoute pensera comme moi.
35Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
35Job parle sans intelligence, Et ses discours manquent de raison.
36Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy!Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.
36Qu'il continue donc à être éprouvé, Puisqu'il répond comme font les méchants!
37Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.
37Car il ajoute à ses fautes de nouveaux péchés; Il bat des mains au milieu de nous, Il multiplie ses paroles contre Dieu.