1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
1Elihu reprit et dit:
2Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an'Andriamanitra?
2Imagines-tu avoir raison, Penses-tu te justifier devant Dieu,
3Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny fahotako? [Heb. anao]
3Quand tu dis: Que me sert-il, Que me revient-il de ne pas pécher?
4Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin'ny namanao.
4C'est à toi que je vais répondre, Et à tes amis en même temps.
5Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
5Considère les cieux, et regarde! Vois les nuées, comme elles sont au-dessus de toi!
6Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
6Si tu pèches, quel tort lui causes-tu? Et quand tes péchés se multiplient, que lui fais-tu?
7Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin'ny tananao?
7Si tu es juste, que lui donnes-tu? Que reçoit-il de ta main?
8Mihatra amin'ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin'ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
8Ta méchanceté ne peut nuire qu'à ton semblable, Ta justice n'est utile qu'au fils de l'homme.
9Noho ny habiazan'ny fampahoriana no itarainan'ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin'ny mahery,
9On crie contre la multitude des oppresseurs, On se plaint de la violence d'un grand nombre;
10Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin'ny alina,
10Mais nul ne dit: Où est Dieu, mon créateur, Qui inspire des chants d'allégresse pendant la nuit,
11Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny biby ambonin'ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny voro-manidina?
11Qui nous instruit plus que les bêtes de la terre, Et nous donne l'intelligence plus qu'aux oiseaux du ciel?
12Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy.
12On a beau crier alors, Dieu ne répond pas, A cause de l'orgueil des méchants.
13Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin'Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
13C'est en vain que l'on crie, Dieu n'écoute pas, Le Tout-Puissant n'y a point égard.
14Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
14Bien que tu dises que tu ne le vois pas, Ta cause est devant lui: attends-le!
15Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
15Mais, parce que sa colère ne sévit point encore, Ce n'est pas à dire qu'il ait peu souci du crime.
16Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
16Ainsi Job ouvre vainement la bouche, Il multiplie les paroles sans intelligence.