Malagasy

French 1910

Job

36

1Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
1Elihu continua et dit:
2Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an'Andriamanitra.
2Attends un peu, et je vais poursuivre, Car j'ai des paroles encore pour la cause de Dieu.
3Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
3Je prendrai mes raisons de haut, Et je prouverai la justice de mon créateur.
4Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin'ny fahalalana no eto aminao.
4Sois-en sûr, mes discours ne sont pas des mensonges, Mes sentiments devant toi sont sincères.
5Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin'ny herin'ny fahalalana Izy.
5Dieu est puissant, mais il ne rejette personne; Il est puissant par la force de son intelligence.
6Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory.
6Il ne laisse pas vivre le méchant, Et il fait droit aux malheureux.
7Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
7Il ne détourne pas les yeux de dessus les justes, Il les place sur le trône avec les rois, Il les y fait asseoir pour toujours, afin qu'ils soient élevés.
8Ary raha voafatotra amin'ny gadra izy sy voafehy amin'ny tadin'ny fahoriana.
8Viennent-ils à tomber dans les chaînes, Sont-ils pris dans les liens de l'adversité,
9Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
9Il leur dénonce leurs oeuvres, Leurs transgressions, leur orgueil;
10Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
10Il les avertit pour leur instruction, Il les exhorte à se détourner de l'iniquité.
11Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana
11S'ils écoutent et se soumettent, Ils achèvent leurs jours dans le bonheur, Leurs années dans la joie.
12Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
12S'ils n'écoutent pas, ils périssent par le glaive, Ils expirent dans leur aveuglement.
13Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; [Na: ny ratsy fanahy]
13Les impies se livrent à la colère, Ils ne crient pas à Dieu quand il les enchaîne;
14Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta,[Dia ny olona mpanolo-tena ho amin'ny fijangajangana ho fanompoan-tsampy;]
14Ils perdent la vie dans leur jeunesse, Ils meurent comme les débauchés.
15Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
15Mais Dieu sauve le malheureux dans sa misère, Et c'est par la souffrance qu'il l'avertit.
16Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.
16Il te retirera aussi de la détresse, Pour te mettre au large, en pleine liberté, Et ta table sera chargée de mets succulents.
17Nefa raha fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;[Na: Dia hifanaikaiky ny ady sy ny fanamelohana;]
17Mais si tu défends ta cause comme un impie, Le châtiment est inséparable de ta cause.
18Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben'ny avotra.
18Que l'irritation ne t'entraîne pas à la moquerie, Et que la grandeur de la rançon ne te fasse pas dévier!
19Moa hahatonga anao ho ao amin'izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
19Tes cris suffiraient-ils pour te sortir d'angoisse, Et même toutes les forces que tu pourrais déployer?
20Aza irinao ny hihavian'ny alina, izay ampialana ny olona amin'ny fitoerany.
20Ne soupire pas après la nuit, Qui enlève les peuples de leur place.
21Tandremo, aza mivily ho amin'ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
21Garde-toi de te livrer au mal, Car la souffrance t'y dispose.
22Indro, Andriamanitra miasa amin'ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
22Dieu est grand par sa puissance; Qui saurait enseigner comme lui?
23Iza no efa nandidy Azy ny amin'izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
23Qui lui prescrit ses voies? Qui ose dire: Tu fais mal?
24Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.
24Souviens-toi d'exalter ses oeuvres, Que célèbrent tous les hommes.
25Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.
25Tout homme les contemple, Chacun les voit de loin.
26Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
26Dieu est grand, mais sa grandeur nous échappe, Le nombre de ses années est impénétrable.
27Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
27Il attire à lui les gouttes d'eau, Il les réduit en vapeur et forme la pluie;
28Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.
28Les nuages la laissent couler, Ils la répandent sur la foule des hommes.
29Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
29Et qui comprendra le déchirement de la nuée, Le fracas de sa tente?
30Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.
30Voici, il étend autour de lui sa lumière, Et il se cache jusque dans les profondeurs de la mer.
31Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
31Par ces moyens il juge les peuples, Et il donne la nourriture avec abondance.
32Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;[Na: Ary baikoiny ny ady sy ny fanamelohana]Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
32Il prend la lumière dans sa main, Il la dirige sur ses adversaires.
33Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
33Il s'annonce par un grondement; Les troupeaux pressentent son approche.