1[Fiomanana handray ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
1Psaume de David. A l'Eternel la terre et ce qu'elle renferme, Le monde et ceux qui l'habitent!
2Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.
2Car il l'a fondée sur les mers, Et affermie sur les fleuves.
3Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?
3Qui pourra monter à la montagne de l'Eternel? Qui s'élèvera jusqu'à son lieu saint? -
4Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka.
4Celui qui a les mains innocentes et le coeur pur; Celui qui ne livre pas son âme au mensonge, Et qui ne jure pas pour tromper.
5Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy.
5Il obtiendra la bénédiction de l'Eternel, La miséricorde du Dieu de son salut.
6Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. [Na: Izay mitady ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba]
6Voilà le partage de la génération qui l'invoque, De ceux qui cherchent ta face, de Jacob! -Pause.
7Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay]
7Portes, élevez vos linteaux; Elevez-vous, portes éternelles! Que le roi de gloire fasse son entrée! -
8Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
8Qui est ce roi de gloire? -L'Eternel fort et puissant, L'Eternel puissant dans les combats.
9Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
9Portes, élevez vos linteaux; Elevez-les, portes éternelles! Que le roi de gloire fasse son entrée! -
10Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
10Qui donc est ce roi de gloire? -L'Eternel des armées: Voilà le roi de gloire! -Pause.