Malagasy

French 1910

Psalms

37

1[Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
1De David. Ne t'irrite pas contre les méchants, N'envie pas ceux qui font le mal.
2Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
2Car ils sont fauchés aussi vite que l'herbe, Et ils se flétrissent comme le gazon vert.
3Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.
3Confie-toi en l'Eternel, et pratique le bien; Aie le pays pour demeure et la fidélité pour pâture.
4Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.
4Fais de l'Eternel tes délices, Et il te donnera ce que ton coeur désire.
5Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
5Recommande ton sort à l'Eternel, Mets en lui ta confiance, et il agira.
6Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
6Il fera paraître ta justice comme la lumière, Et ton droit comme le soleil à son midi.
7Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
7Garde le silence devant l'Eternel, et espère en lui; Ne t'irrite pas contre celui qui réussit dans ses voies, Contre l'homme qui vient à bout de ses mauvais desseins.
8Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.
8Laisse la colère, abandonne la fureur; Ne t'irrite pas, ce serait mal faire.
9Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.
9Car les méchants seront retranchés, Et ceux qui espèrent en l'Eternel posséderont le pays.
10Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
10Encore un peu de temps, et le méchant n'est plus; Tu regardes le lieu où il était, et il a disparu.
11Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.
11Les misérables possèdent le pays, Et ils jouissent abondamment de la paix.
12Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
12Le méchant forme des projets contre le juste, Et il grince des dents contre lui.
13Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
13Le Seigneur se rit du méchant, Car il voit que son jour arrive.
14Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
14Les méchants tirent le glaive, Ils bandent leur arc, Pour faire tomber le malheureux et l'indigent, Pour égorger ceux dont la voie est droite.
15Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
15Leur glaive entre dans leur propre coeur, Et leurs arcs se brisent.
16Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
16Mieux vaut le peu du juste Que l'abondance de beaucoup de méchants;
17Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
17Car les bras des méchants seront brisés, Mais l'Eternel soutient les justes.
18Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
18L'Eternel connaît les jours des hommes intègres, Et leur héritage dure à jamais.
19Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy.
19Ils ne sont pas confondus au temps du malheur, Et ils sont rassasiés aux jours de la famine.
20Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
20Mais les méchants périssent, Et les ennemis de l'Eternel, comme les plus beaux pâturages; Ils s'évanouissent, ils s'évanouissent en fumée.
21Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.[Na: tsy mahonitra]
21Le méchant emprunte, et il ne rend pas; Le juste est compatissant, et il donne.
22Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
22Car ceux que bénit l'Eternel possèdent le pays, Et ceux qu'il maudit sont retranchés.
23Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
23L'Eternel affermit les pas de l'homme, Et il prend plaisir à sa voie;
24Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
24S'il tombe, il n'est pas terrassé, Car l'Eternel lui prend la main.
25Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
25J'ai été jeune, j'ai vieilli; Et je n'ai point vu le juste abandonné, Ni sa postérité mendiant son pain.
26Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
26Toujours il est compatissant, et il prête; Et sa postérité est bénie.
27Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
27Détourne-toi du mal, fais le bien, Et possède à jamais ta demeure.
28Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
28Car l'Eternel aime la justice, Et il n'abandonne pas ses fidèles; Ils sont toujours sous sa garde, Mais la postérité des méchants est retranchée.
29Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
29Les justes posséderont le pays, Et ils y demeureront à jamais.
30Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
30La bouche du juste annonce la sagesse, Et sa langue proclame la justice.
31Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
31La loi de son Dieu est dans son coeur; Ses pas ne chancellent point.
32Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
32Le méchant épie le juste, Et il cherche à le faire mourir.
33Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.
33L'Eternel ne le laisse pas entre ses mains, Et il ne le condamne pas quand il est en jugement.
34Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
34Espère en l'Eternel, garde sa voie, Et il t'élèvera pour que tu possèdes le pays; Tu verras les méchants retranchés.
35Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
35J'ai vu le méchant dans toute sa puissance; Il s'étendait comme un arbre verdoyant.
36Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
36Il a passé, et voici, il n'est plus; Je le cherche, et il ne se trouve plus.
37Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an'ny olona tia fihavanana. [Na: taranaka][Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany]
37Observe celui qui est intègre, et regarde celui qui est droit; Car il y a une postérité pour l'homme de paix.
38Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.
38Mais les rebelles sont tous anéantis, La postérité des méchants est retranchée.
39Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy.Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
39Le salut des justes vient de l'Eternel; Il est leur protecteur au temps de la détresse.
40Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.
40L'Eternel les secourt et les délivre; Il les délivre des méchants et les sauve, Parce qu'ils cherchent en lui leur refuge.