Malagasy

French 1910

Psalms

7

1[Fiantsoana an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
1Complainte de David. Chantée à l'Eternel, au sujet de Cusch, Benjamite. Eternel, mon Dieu! je cherche en toi mon refuge; Sauve-moi de tous mes persécuteurs, et délivre-moi,
2Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
2Afin qu'ils ne me déchirent pas, comme un lion Qui dévore sans que personne vienne au secours.
3Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
3Eternel, mon Dieu! si j'ai fait cela, S'il y a de l'iniquité dans mes mains,
4Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]
4Si j'ai rendu le mal à celui qui était paisible envers moi, Si j'ai dépouillé celui qui m'opprimait sans cause,
5Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.
5Que l'ennemi me poursuive et m'atteigne, Qu'il foule à terre ma vie, Et qu'il couche ma gloire dans la poussière! -Pause.
6Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
6Lève-toi, ô Eternel! dans ta colère, Lève-toi contre la fureur de mes adversaires, Réveille-toi pour me secourir, ordonne un jugement!
7Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,
7Que l'assemblée des peuples t'environne! Monte au-dessus d'elle vers les lieux élevés!
8Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
8L'Eternel juge les peuples: Rends-moi justice, ô Eternel! Selon mon droit et selon mon innocence!
9Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
9Mets un terme à la malice des méchants, Et affermis le juste, Toi qui sondes les coeurs et les reins, Dieu juste!
10Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
10Mon bouclier est en Dieu, Qui sauve ceux dont le coeur est droit.
11Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.
11Dieu est un juste juge, Dieu s'irrite en tout temps.
12Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana]
12Si le méchant ne se convertit pas, il aiguise son glaive, Il bande son arc, et il vise;
13Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
13Il dirige sur lui des traits meurtriers, Il rend ses flèches brûlantes.
14Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza; [Heb: lainga]
14Voici, le méchant prépare le mal, Il conçoit l'iniquité, et il enfante le néant.
15Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;
15Il ouvre une fosse, il la creuse, Et il tombe dans la fosse qu'il a faite.
16Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.
16Son iniquité retombe sur sa tête, Et sa violence redescend sur son front.
17Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.
17Je louerai l'Eternel à cause de sa justice, Je chanterai le nom de l'Eternel, du Très-Haut.