1[Ny voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona] Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao.
1Au chef des chantres. Sur la guitthith. Psaume de David. Eternel, notre Seigneur! Que ton nom est magnifique sur toute la terre! Ta majesté s'élève au-dessus des cieux.
2Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
2Par la bouche des enfants et de ceux qui sont à la mamelle Tu as fondé ta gloire, pour confondre tes adversaires, Pour imposer silence à l'ennemi et au vindicatif.
3Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
3Quand je contemple les cieux, ouvrage de tes mains, La lune et les étoiles que tu as créées:
4Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
4Qu'est-ce que l'homme, pour que tu te souviennes de lui? Et le fils de l'homme, pour que tu prennes garde à lui?
5Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
5Tu l'as fait de peu inférieur à Dieu, Et tu l'as couronné de gloire et de magnificence.
6Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony,
6Tu lui as donné la domination sur les oeuvres de tes mains, Tu as tout mis sous ses pieds,
7Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
7Les brebis comme les boeufs, Et les animaux des champs,
8Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina.Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
8Les oiseaux du ciel et les poissons de la mer, Tout ce qui parcourt les sentiers des mers.
9Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
9Eternel, notre Seigneur! Que ton nom est magnifique sur toute la terre!