1[Ny handrosoan'ny fanjakan'ny mpanjaka voatendrin'Andriamanitra] Nataon'i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an'ny mpanjaka ny fitsarànao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
1De Salomon. O Dieu, donne tes jugements au roi, Et ta justice au fils du roi!
2Hitsara ny olonao amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.[Na: Aoka, etc]
2Il jugera ton peuple avec justice, Et tes malheureux avec équité.
3Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.
3Les montagnes porteront la paix pour le peuple, Et les collines aussi, par l'effet de ta justice.
4Hitsara2 ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
4Il fera droit aux malheureux du peuple, Il sauvera les enfants du pauvre, Et il écrasera l'oppresseur.
5Hatahotra2 anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
5On te craindra, tant que subsistera le soleil, Tant que paraîtra la lune, de génération en génération.
6Hidina2 tahaka ny ranonorana amin'ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny tany.
6Il sera comme une pluie qui tombe sur un terrain fauché, Comme des ondées qui arrosent la campagne.
7Ny2 marina hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
7En ses jours le juste fleurira, Et la paix sera grande jusqu'à ce qu'il n'y ait plus de lune.
8Ary hanjaka hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.[Eofrata]
8Il dominera d'une mer à l'autre, Et du fleuve aux extrémités de la terre.
9Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
9Devant lui, les habitants du désert fléchiront le genou, Et ses ennemis lécheront la poussière.
10Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
10Les rois de Tarsis et des îles paieront des tributs, Les rois de Séba et de Saba offriront des présents.
11Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
11Tous les rois se prosterneront devant lui, Toutes les nations le serviront.
12Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
12Car il délivrera le pauvre qui crie, Et le malheureux qui n'a point d'aide.
13Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.
13Il aura pitié du misérable et de l'indigent, Et il sauvera la vie des pauvres;
14Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.
14Il les affranchira de l'oppression et de la violence, Et leur sang aura du prix à ses yeux.
15Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.[Na: Dia ho velona Izy ka homena]
15Ils vivront, et lui donneront de l'or de Séba; Ils prieront pour lui sans cesse, ils le béniront chaque jour.
16Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.
16Les blés abonderont dans le pays, au sommet des montagnes, Et leurs épis s'agiteront comme les arbres du Liban; Les hommes fleuriront dans les villes comme l'herbe de la terre.
17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.[Izaho Gen.xxii. 18]
17Son nom subsistera toujours, Aussi longtemps que le soleil son nom se perpétuera; Par lui on se bénira mutuellement, Et toutes les nations le diront heureux.
18Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
18Béni soit l'Eternel Dieu, le Dieu d'Israël, qui seul fait des prodiges!
19Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
19Béni soit à jamais son nom glorieux! Que toute la terre soit remplie de sa gloire! Amen! Amen!
20Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
20Fin des prières de David, fils d'Isaï.