Malagasy

French 1910

Psalms

82

1[Ny fitsaran'Andriamanitra ny mpitsara etỳ an-tany] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany.
1Psaume d'Asaph. Dieu se tient dans l'assemblée de Dieu; Il juge au milieu des dieux.
2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?
2Jusques à quand jugerez-vous avec iniquité, Et aurez-vous égard à la personne des méchants? Pause.
3Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;
3Rendez justice au faible et à l'orphelin, Faites droit au malheureux et au pauvre,
4Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy.
4Sauvez le misérable et l'indigent, Délivrez-les de la main des méchants.
5Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra.
5Ils n'ont ni savoir ni intelligence, Ils marchent dans les ténèbres; Tous les fondements de la terre sont ébranlés.
6Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;
6J'avais dit: Vous êtes des dieux, Vous êtes tous des fils du Très-Haut.
7Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe.Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.
7Cependant vous mourrez comme des hommes, Vous tomberez comme un prince quelconque.
8Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.
8Lève-toi, ô Dieu, juge la terre! Car toutes les nations t'appartiennent.