1[Ny tanànan'i Jehovah, izay hahaterahan'ny firenena maro ho isan'ny Isiraely] Salamo nataon'ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin'i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;
1Des fils de Koré. Psaume. Cantique. Elle est fondée sur les montagnes saintes.
2Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.
2L'Eternel aime les portes de Sion Plus que toutes les demeures de Jacob.
3Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan'Andriamanitra
3Des choses glorieuses ont été dites sur toi, Ville de Dieu! Pause.
4Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo.[Na: Egypta]
4Je proclame l'Egypte et Babylone parmi ceux qui me connaissent; Voici, le pays des Philistins, Tyr, avec l'Ethiopie: C'est dans Sion qu'ils sont nés.
5Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
5Et de Sion il est dit: Tous y sont nés, Et c'est le Très-Haut qui l'affermit.
6Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
6L'Eternel compte en inscrivant les peuples: C'est là qu'ils sont nés. Pause.
7Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
7Et ceux qui chantent et ceux qui dansent s'écrient: Toutes mes sources sont en toi.