1[Vavaka nataon'izay nasian'ny fahoriana mafy ka toa foin'Andriamanitra] Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;
1Cantique. Psaume des fils de Koré. Au chef des chantres. Pour chanter sur la flûte. Cantique d'Héman, l'Ezrachite. Eternel, Dieu de mon salut! Je crie jour et nuit devant toi.
2Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao;
2Que ma prière parvienne en ta présence! Prête l'oreille à mes supplications!
3Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.[Heb. Sheola]
3Car mon âme est rassasiée de maux, Et ma vie s'approche du séjour des morts.
4Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
4Je suis mis au rang de ceux qui descendent dans la fosse, Je suis comme un homme qui n'a plus de force.
5Efa nafoy ho any amin'ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.[Na: Ny fandriako dia any amin'ny maty]
5Je suis étendu parmi les morts, Semblable à ceux qui sont tués et couchés dans le sépulcre, A ceux dont tu n'as plus le souvenir, Et qui sont séparés de ta main.
6Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.
6Tu m'as jeté dans une fosse profonde, Dans les ténèbres, dans les abîmes.
7Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.
7Ta fureur s'appesantit sur moi, Et tu m'accables de tous tes flots. Pause.
8Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.
8Tu as éloigné de moi mes amis, Tu m'as rendu pour eux un objet d'horreur; Je suis enfermé et je ne puis sortir.
9Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana aminao aho.
9Mes yeux se consument dans la souffrance; Je t'invoque tous les jours, ô Eternel! J'étends vers toi les mains.
10Haneho fahagagana amin'ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?
10Est-ce pour les morts que tu fais des miracles? Les morts se lèvent-ils pour te louer? Pause.
11Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin'ny fandringanana?
11Parle-t-on de ta bonté dans le sépulcre, De ta fidélité dans l'abîme?
12Ho fantatra ao amin'ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin'ny tany fanadinoana?
12Tes prodiges sont-ils connus dans les ténèbres, Et ta justice dans la terre de l'oubli?
13Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.
13O Eternel! j'implore ton secours, Et le matin ma prière s'élève à toi.
14Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
14Pourquoi, Eternel, repousses-tu mon âme? Pourquoi me caches-tu ta face?
15Ory aho ka efa ho faty hatramin'ny fahazazako; Raha itambesa-ran'ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;
15Je suis malheureux et moribond dès ma jeunesse, Je suis chargé de tes terreurs, je suis troublé.
16Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin'ny fampitahoranao aho;
16Tes fureurs passent sur moi, Tes terreurs m'anéantissent;
17Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
17Elles m'environnent tout le jour comme des eaux, Elles m'enveloppent toutes à la fois.
18Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
18Tu as éloigné de moi amis et compagnons; Mes intimes ont disparu.