1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
1Allora Giobbe rispose e disse:
2Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
2"Di cose come codeste, ne ho udite tante! Siete tutti dei consolatori molesti!
3Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
3Non ci sarà egli una fine alle parole vane? Che cosa ti provoca a rispondere?
4Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
4Anch’io potrei parlare come voi, se voi foste al posto mio; potrei mettere assieme delle parole contro a voi e su di voi scrollare il capo;
5Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.
5potrei farvi coraggio con la bocca; e il conforto delle mie labbra vi calmerebbe.
6Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.
6Se parlo, il mio dolore non ne sarà lenito; e se cesso di parlare, che sollievo ne avrò?
7Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
7Ora, purtroppo, Dio m’ha ridotto senza forze, ha desolato tutta la mia casa;
8Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]
8m’ha coperto di grinze e questo testimonia contro a me, la mia magrezza si leva ad accusarmi in faccia.
9Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
9La sua ira mi lacera, mi perseguita, digrigna i denti contro di me. Il mio nemico aguzza gli occhi su di me.
10Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
10Apron larga contro a me la bocca, mi percuoton per obbrobrio le guance, si metton tutt’insieme a darmi addosso.
11Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.
11Iddio mi dà in balìa degli empi, mi getta in mano dei malvagi.
12Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
12Vivevo in pace, ed egli m’ha scosso con violenza, m’ha preso per la nuca, m’ha frantumato, m’ha posto per suo bersaglio.
13Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.
13I suoi arcieri mi circondano, egli mi trafigge i reni senza pietà, sparge a terra il mio fiele.
14Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
14Apre sopra di me breccia su breccia, mi corre addosso come un guerriero.
15Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]
15Mi son cucito un cilicio sulla pelle, ho prostrato la mia fronte nella polvere.
16Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
16Il mio viso è rosso di pianto, e sulle mie palpebre si stende l’ombra di morte.
17Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
17Eppure, le mie mani non commisero mai violenza, e la mia preghiera fu sempre pura.
18Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
18O terra, non coprire il mio sangue, e non vi sia luogo ove si fermi il mio grido!
19Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.
19Già fin d’ora, ecco, il mio Testimonio è in cielo, il mio Garante è nei luoghi altissimi.
20Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,
20Gli amici mi deridono, ma a Dio si volgon piangenti gli occhi miei;
21Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako.[Heb. sakaizany]Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
21sostenga egli le ragioni dell’uomo presso Dio, le ragioni del figliuol d’uomo contro i suoi compagni!
22Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
22Poiché, pochi anni ancora, e me ne andrò per una via senza ritorno.