1[Ny teny fanindroany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
1Allora Bildad di Suach rispose e disse:
2Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
2"Quando porrete fine alle parole? Fate senno, e poi parleremo.
3Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
3Perché siamo considerati come bruti e perché siamo agli occhi vostri degli esseri impuri?
4Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?
4O tu, che nel tuo cruccio laceri te stesso, dovrà la terra, per cagion tua, essere abbandonata e la roccia esser rimossa dal suo luogo?
5Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
5Sì, la luce dell’empio si spegne, e la fiamma del suo fuoco non brilla.
6Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
6La luce si oscura nella sua tenda, e la lampada che gli sta sopra si spegne.
7Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
7I passi che facea nella sua forza si raccorciano, e i suoi propri disegni lo menano a ruina.
8Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;
8Poiché i suoi piedi lo traggon nel tranello, e va camminando sulle reti.
9Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana
9Il laccio l’afferra pel tallone, e la trappola lo ghermisce.
10Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
10Sta nascosta in terra per lui un’insidia, e sul sentiero lo aspetta un agguato.
11Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.
11Paure lo atterriscono d’ogn’intorno, lo inseguono, gli stanno alle calcagna.
12Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin'ny mosary izy]
12La sua forza vien meno dalla fame, la calamità gli sta pronta al fianco.
13Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.
13Gli divora a pezzo a pezzo la pelle, gli divora le membra il primogenito della morte.
14Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
14Egli è strappato dalla sua tenda che credea sicura, e fatto scendere verso il re degli spaventi.
15Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.
15Nella sua tenda dimora chi non è de’ suoi, e la sua casa è cosparsa di zolfo.
16Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]
16In basso s’inaridiscono le sue radici, in alto son tagliati i suoi rami.
17Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
17La sua memoria scompare dal paese, più non s’ode il suo nome per le campagne.
18Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.
18E’ cacciato dalla luce nelle tenebre, ed è bandito dal mondo.
19Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.
19Non lascia tra il suo popolo né figli, né nipoti, nessun superstite dov’egli soggiornava.
20Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
20Quei d’occidente son stupiti della sua sorte, e quei d’oriente ne son presi d’orrore.
21Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
21Certo son tali le dimore dei perversi e tale è il luogo di chi non conosce Iddio".