Malagasy

Italian: Riveduta Bible (1927)

Job

30

1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
1E ora servo di zimbello a dei più giovani di me, i cui padri non mi sarei degnato di mettere fra i cani del mio gregge!
2Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?
2E a che m’avrebbe servito la forza delle lor mani? Gente incapace a raggiungere l’età matura,
3Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka]
3smunta dalla miseria e dalla fame, ridotta a brucare il deserto, la terra da tempo nuda e desolata,
4Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]
4strappando erba salsa presso ai cespugli, ed avendo per pane radici di ginestra.
5Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
5Sono scacciati di mezzo agli uomini, grida lor dietro la gente come dietro al ladro,
6Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
6abitano in burroni orrendi, nelle caverne della terra e fra le rocce;
7Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.
7ragliano fra i cespugli, si sdraiano alla rinfusa sotto i rovi;
8Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.
8gente da nulla, razza senza nome, cacciata via dal paese a bastonate.
9Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
9E ora io sono il tema delle loro canzoni, il soggetto dei loro discorsi.
10Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
10Mi aborrono, mi fuggono, non si trattengono dallo sputarmi in faccia.
11Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
11Non han più ritegno, m’umiliano, rompono ogni freno in mia presenza.
12Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
12Questa genia si leva alla mia destra, m’incalzano, e si appianano le vie contro di me per distruggermi.
13Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
13Hanno sovvertito il mio cammino, lavorano alla mia ruina, essi che nessuno vorrebbe soccorrere!
14Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany.[Na: Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy]
14S’avanzano come per un’ampia breccia, si precipitano innanzi in mezzo alle ruine.
15Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
15Terrori mi si rovesciano addosso; l’onor mio è portato via come dal vento, è passata come una nube la mia felicità.
16Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho.
16E ora l’anima mia si strugge in me, m’hanno còlto i giorni dell’afflizione.
17Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona]
17La notte mi trafigge, mi stacca l’ossa, e i dolori che mi rodono non hanno posa.
18Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
18Per la gran violenza del mio male la mia veste si sforma, mi si serra addosso come la tunica.
19Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
19Iddio m’ha gettato nel fango, e rassomiglio alla polvere e alla cenere.
20Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
20Io grido a te, e tu non mi rispondi; ti sto dinanzi, e tu mi stai a considerare!
21Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy.
21Ti sei mutato in nemico crudele verso di me; mi perseguiti con la potenza della tua mano.
22Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
22Mi levi per aria, mi fai portar via dal vento, e mi annienti nella tempesta.
23Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra.
23Giacché, lo so, tu mi meni alla morte, alla casa di convegno di tutti i viventi.
24Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy]
24Ma chi sta per perire non protende la mano? e nell’angoscia sua non grida al soccorso?
25Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
25Non piangevo io forse per chi era nell’avversità? l’anima mia non era ella angustiata per il povero?
26Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
26Speravo il bene, ed è venuto il male; aspettavo la luce, ed è venuta l’oscurità!
27Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
27Le mie viscere bollono e non hanno requie, son venuti per me giorni d’afflizione.
28Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin'ny hain'andro]
28Me ne vo tutto annerito, ma non dal sole; mi levo in mezzo alla raunanza, e grido aiuto;
29Rahalahin'ny amboadia aho Ary naman'ny ostritsa.[Na: jakala]
29son diventato fratello degli sciacalli, compagno degli struzzi.
30Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.[Heb. fahamainana]Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
30La mia pelle è nera, e cade a pezzi; le mie ossa son calcinate dall’arsura.
31Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
31La mia cetra non dà più che accenti di lutto, e la mia zampogna voce di pianto.