1Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.
1A tale spettacolo il cuor mi trema e balza fuor del suo luogo.
2Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.
2Udite, udite il fragore della sua voce, il rombo che esce dalla sua bocca!
3Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin'ny faran'ny tany.[Heb. fahazavany]
3Egli lo lancia sotto tutti i cieli e il suo lampo guizza fino ai lembi della terra.
4Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
4Dopo il lampo, una voce rugge; egli tuona con la sua voce maestosa; e quando s’ode la voce, il fulmine non e già più nella sua mano.
5Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
5Iddio tuona con la sua voce maravigliosamente; grandi cose egli fa che noi non intendiamo.
6Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
6Dice alla neve: "Cadi sulla terra!" lo dice al nembo della pioggia, al nembo delle piogge torrenziali.
7Mampiohona ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase]
7Rende inerte ogni mano d’uomo, onde tutti i mortali, che son opera sua, imparino a conoscerlo.
8Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
8Le bestie selvagge vanno nel covo, e stan ritirate entro le tane.
9Avy any atsimo ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.[Heb. efi-trano][Heb. avy amin'ireo mpanahakahaka]
9Dai recessi del sud viene l’uragano, dagli aquiloni il freddo.
10Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
10Al soffio di Dio si forma il ghiaccio e si contrae la distesa dell’acque.
11Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]
11Egli carica pure le nubi d’umidità, disperde lontano le nuvole che portano i suoi lampi
12Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao,[Na: Eny ambonin'izao tontolo izao ho amin'ny tany]
12ed esse, da lui guidate, vanno vagando nei lor giri per eseguir quanto ei loro comanda sopra la faccia di tutta la terra;
13Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa.[Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]
13e le manda o come flagello, o come beneficio alla sua terra, o come prova della sua bontà.
14Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.
14Porgi l’orecchio a questo, o Giobbe; fermati, e considera le maraviglie di Dio!
15Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony? [Heb. fahazavany]
15Sai tu come Iddio le diriga e faccia guizzare il lampo dalle sue nubi?
16Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?
16Conosci tu l’equilibrio delle nuvole, le maraviglie di colui la cui scienza è perfetta?
17Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,
17Sai tu come mai gli abiti tuoi sono caldi quando la terra s’assopisce sotto il soffio dello scirocco?
18Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
18Puoi tu, come lui, distendere i cieli e farli solidi come uno specchio di metallo?
19Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
19Insegnaci tu che dirgli!… Nelle tenebre nostre, noi non abbiam parole.
20Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina]
20Gli si annunzierà forse ch’io voglio parlare? Ma chi mai può bramare d’essere inghiottito?
21Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
21Nessuno può fissare il sole che sfolgora ne’ cieli quando v’è passato il vento a renderli tersi.
22Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian'ny volamena]
22Dal settentrione viene l’oro; ma Dio è circondato da una maestà terribile;
23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.[Na: mamaly]Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
23l’Onnipotente noi non lo possiam scoprire. Egli è grande in forza, in equità, in perfetta giustizia; egli non opprime alcuno.
24Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
24Perciò gli uomini lo temono; ei non degna d’uno sguardo chi si presume savio".