Malagasy

Nepali

2 Samuel

11

1[Ny nanaovana fahirano an'i Raba, sy ny nakan'i Davida ny vadin'i Oria] Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak'i Amona ireo sady nanao fahirano an'i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
1बसन्त ऋतुको समय जब राजाहरू युद्धका निम्ति बाहिर आए र दाऊदले योआब, तिनका अधिकारीहरू र सारा इस्राएली सैनिकहरूलाई अम्मोनीहरू नष्ट गर्न पठाउनु भयो। योआबका सेनाहरूले तिनीहरूको राजधानी रब्बा शहरमा पनि आक्रमण गरे। तर दाऊद यरूशलेममा नै बसे।
2Ary nony harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon'ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
2साँझमा तिनी ओछ्यानबाट उठे र राजभवनको कौशिमा टहल्नथाले। त्यहि समय दाऊदले कौशिबाट एउटी स्त्रीलाई नुहाउँदै गरेको देखे। तिनी साह्रै सुन्दरी थिईन्।
3Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?
3त्यसैकारण दाऊदले तिनको विषयमा जान्नका निम्ति आफ्ना अधिकारीहरू पठाए। एकजना अधिकारीले बुझेर खबर दिए, “त्यो स्त्री एलीआमको छोरी र हित्तीका उरियाहकी पत्नी बेतशेबा हुन्।”
4Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
4दाऊदले उसका दूतहरूलाई त्यो स्त्री बोलाउन पठाए। जब ती स्त्री आइन्, दाऊदले तिनीसँग सहवास गरे। तिनको मासिक धर्मको समय शेष भयो। तब तिनी गइहालीन्।
5Ary nanan'anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin'i Davida hoe: Manan'anaka aho.
5र बेतशेबा गर्भबती भइन्। तिनले दाऊदलाई, “म गर्भवती भएँ’“ भनेर खबर पठाइन्।
6Ary Davida naniraka tany amin'i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain'i Joaba nankany amin'i Davida Oria.
6दाऊदले योआबकहाँ खबर पठाए, “हित्तीका उरिहालाई मकहाँ पठाउनू।” यसैले योआबले ऊरियालाई दाऊदकहाँ पठाए।
7Ary nony tonga teo amin'i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr'i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.
7उरियाह दाऊदकहाँ आए। दाऊदले उरियाहसँग योआबको विषयमा सोधे। सैनिकहरूको हाल खबर सोधे र युद्धको विषयमा जान्न चाहे।
8Ary hoy Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka izy.
8तब दाऊदले उरियाहलाई भने, “आराम गर र आनन्दित हौ।” उरियाहले राजभवन छोडे। राजाले उसलाई उपहारहरू पनि दिए।
9Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon'ny mpanjaka, teo amin'ny mpanompon'ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
9तर उरियाह उसको घरमा गएनन्। उरियाह राजभवनको बाहिर दैलोमा सुते। राजाका अन्य नोकर चाकर झैं तिनी सुते।
10Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?
10नोकर चाकरले दाऊदलाई भने, “उरियाह घर गएनन्।” त्यसपछि दाऊदले उरियाहलाई भने, “तिमी टाढाबाट आएका थियौ किन घर गएनौ?”
11Fa hoy Oria tamin'i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin'ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.
11उरियाहले दाऊदलाई भने, “परमप्रभुको पवित्र सन्दूक अनि इस्राएलका सैनिकहरू र यहूदाका सैनिक सबै तम्बूमा बस्छन्। मेरा स्वामी योआब, अनि राजा दाऊदका अधिकारीहरू सबै खुल्ला मैदानमा डेरा गरेर बस्छन्। यसैले म घर गएर खाई पिई पत्नीसँग सुत्नु ठीक हैन।”
12Ary hoy Davida tamin'i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson'iny Oria.
12दाऊदले उरियाहलाई भने, “आज यहीं बस। भोलि म तिमीलाई युद्ध भूमिमा पठाउँछु।” उरियाह त्यस दिन रातभरि यरूशलेममा नै बसे।
13Ary nasain'i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin'ilay nandriany teo amin'ny mpanompon'ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
13त्यसपछि दाऊदले उरियाहलाई उनलाई भेट्नु भने। उरियाहले दाऊदसँगै खान-पिन गरे। दाऊदले उरियाहलाई धेरै मताए। तरै पनि उरियाह उसको घरमा गएनन्। तिनी अन्य सेवकहरू झैं राजमहलको प्रवेशद्वार बाहिर सुते।
14Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin'i Joaba, ka nampitondrainy an'i Oria izany.
14अर्को बिहान दाऊदले योआबलाई पत्र लेखे। दाऊदले उरियाहलाई नै पत्र थमाए।
15Ary izao no soratra nataony tao amin'ny taratasy: Arosoinareo amin'ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.
15पत्रमा दाऊदले लेखेका थिएः “उरियाहलाई जहाँ घमासन युद्ध हुन्छ त्यही पठाउनु। एक्लो छोडिदिनु अनि युद्धमा नै मरोस्।”
16Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an'i Oria ho eo amin'izay hitany misy lehilahy mahery.
16जब योआबले शहरलाई कब्जा गरे, उसले जहाँ साहसी अम्मोनीहरू थिए ती भेट्टाए। उनले उरियाहलाई त्यही ठाउँमा जान छाने।
17Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin'i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon'i Davida, ary maty koa Oria Hetita.
17रब्बाका मानिसहरू योआबको विरूद्ध युद्ध गर्न आए। दाऊदका कतिपय मानिसहरू मरे। मर्नेहरूमा उरियाह पनि थिए।
18Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin'i Davida ny toetry ny ady;
18तब योआबले दाऊदलाई युद्धको विषयमा खबर पठाए।
19ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin'ny mpanjaka ny toetry ny ady,
19योआबले दूतलाई युद्धमा के भएको थियो भन्नु भनेर पठाए।
20ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin'ny manda izy?
20योआबले भने, “हुनसक्छ राजा रिसाउनु हुनेछ अनि सोध्नु हुनेछन्, ‘योआबका सेनाहरू शहरका पर्खाल नजिक किन लडे? साँच्चैनै योआबलाई थाहा हुनुपर्ने पर्खालमाथिबाट मानिसहरूले तल वाण चलाउन सक्छन्।
21Fa iza no namely an'i Abimeleka, zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin'ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.[vato amboniny]
21के उसलाई थाहा छैन यरूब्बेशेतका छोरा अबीमेलेकलाई कसले मार्यो? एउटी आइमाईले जाँतोको ढुङ्गाले हानेर अबीमेलेक मरेका थिए। त्यस्तो जान्दा-जान्दै पनि किन पर्खालकै नजिक गएको?’ यदि राजाले यी कुराहरू सोधे भने भन्नु, ‘तपाईंको अधिकारी उरियाह पनि मरे।”‘
22Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin'i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan'i Joaba azy.
22दूत गएर योआबले आज्ञा दिएका कुरा सबै दाऊदलाई सुनाए।
23Ary hoy ny iraka tamin'i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan'ny vavahady kosa izy.
23दूतहरूले दाऊदलाई भने, “अम्मोनका मानिसहरूले हामीलाई मैदानमा धावा बोले। हामी लड्यौं र शहरको फाटकसम्म खेद्‌दै भगायौं।
24Ary ny mpitifitra teo amin'ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon'ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
24तब शहरको पर्खालबाट तपाईंका अधिकारीहरूलाई मानिसहरूले बाण चलाए। तपाईंका केही अधिकारीहरू मरे। तपाईंका अधिकारी उरिययाह पनि यसरी मरे।”
25Dia hoy Davida tamin'ny iraka: Izao no holazainao amin'i Joaba: Aza malahelo amin'izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin'ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
25दाऊदले दूतहरूलाई योआब कहाँ खबर पठाएः “दुःख मान्ने केही कारण छैन। तरवारले एकजना मानिस पनि मार्न सक्छ अर्को पनि। रब्बाको बिरूद्धमा शक्तिशाली आक्रमण चलाएर विजय प्राप्त गर। यी शब्दहरूले योआबलाई उत्साह प्रदान गर।”
26Ary nony ren'ny vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.
26बेतशेबाले आफ्ना पति उरियाह मरेको थाहा पाउँछिन्। आफ्ना लोग्नेको निम्त रोइकराई र्गछिन्।
27Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida izany.
27तिनले शोकाकुल अवस्था पार गरेपछि दाऊदले नोकरलाई बोलाउन पठाउँछन्। तिनी दाऊदकी पत्नी बन्छिन् र दाऊदको छोरा जन्माउँछिन्। तर परमप्रभुलाई दाऊदको कुकर्म ठीक लागेको थिएन।