1[Ny nibebahan'i Davida, rehefa nanarin'i Natana, ary ny nahafahany an'i Raba] Ary Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.
1परमप्रभुले नातानलाई दाऊदकहाँ पठाउनुभयो। नातान दाऊदकहाँ गए। नातानले भने, “एउटा शहरमा दुइजना मानिसहरू थिए। एकजना धनी अर्को एकजना गरिब।
2Ilay manan-karena nanana ondry aman'osy sy omby betsaka;
2त्यस धनी मानिसका धेरै भेडा र पशुहरू थिए।
3fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.
3तर त्यस गरिब मानिसको एउटा किनेको भेडाको सानो पाठी बाहेक केही थिएन त्यस गरिब मानिसले त्यो पाठीलाई खुवाउँथ्यो। पाठी बिस्तारै ठूलो हुँदै गयो। त्यस गरिब मानिसकै भागबाट पाठी खान्थ्यो र पिउँथ्यो। पाठी त्यस गरिबको छातीमा सुत्थ्यो। यहाँसम्म पाठी त्यस गरिबको छोरी समान थियो।
4Ary nisy vahiny tonga tao amin'ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an'ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak'ondry vavin'ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an'ilay olona tonga tao aminy.
4“तब एकजना यात्री धनी मानिसलाई भेट्न आए। धनी मानिसहरूले यात्रीलाई भोजन गराउन चाहान्थे। तर आफ्ना भेडा अथवा पशुहरू मारेर खुवाउन चाहाँदैन थिए। यसैले धनी मानिसले त्यस गरिब मानिसको भेडाको पाठी ल्याएर यात्रीलाई खुवाए।”
5Dia nirehitra mafy ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
5दाऊद धनी मानिसको अत्याचारमा साह्रै रिसाएर। तिनले नातानलाई भने, “परमप्रभुको कसम जसले त्यसो गर्यो त्यो मर्छ नै।
6ary ilay zanak'ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo.
6उसले भेडाको पाठीको दामको चार दोब्बर दाम तिर्नुपर्छ कारण उसले त्यस्तो डरलाग्दो कार्य कुनै दयामाया बेगरै गर्यो।”
7Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly;
7तब नातानले दाऊदलाई भने, “त्यो धनी मानिस तिमी नै हौ। परमप्रभु इस्राएलका परमेश्वर भन्नुहुन्छः ‘मैले तिमीलाई इस्राएलको राजाको रूपमा छाने। शाऊलबाट तिमीलाई बचाएँ।
8ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;
8मैले तिमीलाई उसकी पत्नीहरू र परिवार लिन अधिकार दिएँ। अनि मैले तिमीलाई इस्राएल र यहूदाको राजा बनाएँ। यदि त्यो एकदमै कम्ति भए म तिमीलाई अझ ज्यादा दिने थिए।
9koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy.
9यसकारण किन तिमीले परमप्रभुको आदेशलाई घृणा गर्यौ? तिमीले परमेश्वरले जो भूल बताउनु हुन्छ तिमी किन त्यही गर्छौ? हित्ती उरियाहको मृत्युलाई अम्मोनीहरूको तरवारको कारण बनायौ। अनि तिमीले उसकी पत्नीलाई तिम्रो आफ्नै बनाउन लियौ। यस्तो प्रकारले उरियाहलाई तरवारले मार्ने तिम्रो जिम्मा हो?
10Koa noho izany dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao.
10यसकारण तरवारले तिम्रा परिवारका कसैलाई त्यही गति बनाउने छ। तिमीले उरियाहकी पत्नी लग्यौ। यसरी नै थाहा हुन्छ मेरो कुनै वास्तानै गरेनौ।’
11Izao koa no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao.
11“परमप्रभु यसो भन्नुहुन्छः ‘म तिमीमा विपत्ति ल्याइदिन्छु। त्यो विपत्ति आफ्नै परिवारबाट आउनेछ। म तिम्रो पत्नीहरूलाई तिम्रो एउटा धेरै नजिकका व्यक्तिलाई दिनेछु। त्यो मानिस तिम्री पत्नीहरूसँग सुत्नेछ र सबैले त्यो कुरा जान्नेछन्।
12Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao.
12तिमी त गुप्त रूपमा बेतशेबासँग सुत्यौ। तर म तिमीलाई इस्राएलका मानिसहरूले थाहा पाउने गरी सजाय दिन्छु।”‘
13Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
13तब दाऊदले नातानलाई भने, “मैले परमप्रभुको विरूद्धमा पाप गरें।” नातानले दाऊदलाई भने, “तिमीले यत्रो ठूलो पाप गरेर पनि परमप्रभुले क्षमा गर्नेछन्। तिमी मर्ने छैनौ।
14Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
14तर तिमीले जे गर्यौ त्यसले गर्दा परमप्रभुका शत्रुहरूले उहाँलाई आदर गर्न छोडे। यही कारण तिम्रो काखको छोरा मर्नेछ।”
15Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza.
15त्यसपछि नातान घर गए। परमप्रभुले दाऊद र उरियाहकी पत्नीबाट जुन छोरा जन्मियो, त्यसलाई साह्रै बिमारी बनाइदिनु भयो।
16Ary nifona tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin'ny tany mandritra ny alina.
16दाऊदले शिशुको निम्ति परमेश्वरमा प्रार्थना गरे। दाऊदले खान पिउन नै छोडे। उनी घर गएर भित्रै बस्न थाले। रातभरि भूइँमा नै लडिरहन थाले।
17Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
17दाऊदका घरका ठूला बडाले दाऊदलाई बलपूर्वक उठाउन खोजे। तर दाऊद उठ्न मानेनन्। उनले खाना खान पनि मानेन्।
18Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
18सातौं दिनको दिन शिशु मर्यौ। दाऊदका नोकरहरूले दाऊदलाई शिशु मरेको खबर भन्न साह्रै डराए। तिनीहरूले भने, “हेर्नुहोस्, शिशु जब जिउँदै थियो त्यस समय त हामीले दाऊदसँग कुरा गर्न सकेनौं। हाम्रो कुरा सुन्नै चाहानु भएन। यदि हामीले शिशु मरेको खबर दियौं भने आफैंले आत्महत्या गर्न सक्लान्।”
19Ary nony hitan'i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.
19तर दाऊदले नोकरहरूले कानेखुशी गरेको थाहा पाए। तब दाऊदले शिशु मरेको अन्दाज गरे। यसैले दाऊदले नोकरलाई सोधे, “के शिशु मर्यो?” नोकरहरूले जवाफ दिए, “ज्यू, मर्यो।”
20Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.
20त्यसपछि दाऊद भुँइबाट उठे। आफू स्नान। लुगाहरू लगाएर तयार भए। त्यसपछि परमप्रभुको पवित्र स्थानमा आराधना गर्न गए। फर्केर आई खानेकुरा के छ भनेर मागे। नोकर चाकरले खाना टक्राए, तिनले खाए।
21Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.
21दाऊदका नोकरहरूले तिनलाई सोधे, “तपाईंले यसो किनगर्नु भयो? जबसम्म शिशु जिउँदै थियो तपाईंले केही पनि खानुभएन। तपाईं रोइरहनु भयो। तर जब शिशु मर्यो अनि उठेर खाना खानुभयो।”
22Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
22दाऊदले भने, “जबसम्म शिशु जीवित रह्यो मैले केही खाइन। र रोइ मात्र रहे कारण मैले सोचें, ‘कसलाई थाहा छ? हुनसक्छ परमप्रभु मेरो निम्ति दुःखी हुनुहुन्छ र शिशुलाई बचाइराख्नु हुन्छ।’
23Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.
23तर अहिले शिशु मर्यो। अब पनि म किन नखाई बस्ने? के म शिशुलाई जीउँदो पाउन सक्छु? सकिंदैन। कुनै दिन म त्यो भएकहाँ जाउँला, तर त्यो यहाँ मकहाँ आउन सक्दैन।”
24Ary Davida nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,[Solomona = Miadana]
24त्यसपछि दाऊदले आफ्नी पत्नी बेतशेबालाई सान्त्वना दिए। तिनले पत्नीसँग शारिरीक सम्बन्ध पनि स्थापित गरे। बेतशेबा फेरि गर्भवती भइन्। अर्को छोरा जन्माइन्। दाऊदले छोराको नाउँ सुलेमान राखे। परमप्रभुले सुलेमानलाई प्रेम गर्नु भयो।
25dia naniraka an'i Natana mpaminany ka nanao ny anaran'ny zaza hoe Jedidia noho ny amin'i Jehovah.[Jedidia = Tian'i Jehovah]
25परमप्रभुले अगमवक्ता नातानद्वारा सन्देश पठाउनुभयो, नातानले सुलेमानको नाउँ यददीया राखे। नातानले परमप्रभुको निम्ति यसो गरे।
26Ary Joaba namely an'i Raban'ny taranak'i Amona ka nahafaka ny tanànan'ny mpanjaka.
26रब्बा शहर अम्मोनीहरूको राजधानी थियो। योआबले रब्बामाथि लडाईं गरेर अधिकार जमाए।
27Ary Joaba naniraka olona tany amin'i Davida nanao hoe: Namely an'i Raba aho ka nahafaka ny tanàna misy rano.
27योआबले दाऊदकहाँ दूतहरू पठाएर खबर भने, “मैले रब्बा बिरूद्ध लडाईं गरें। मैले पानीको शहर जितें।
28Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy.
28अब अरू सैनिकहरू ल्याएर रब्बामाथि अधिकार जमाउनुहोस् नत्र यदि मैले शहरमाथि अधिकार जमाए भने शहरको नाउँ मेरो आफ्नो नाममा हुनेछ।”
29Ary Davida namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy.
29यसैले दाऊदले मानिसहरू भेला पारेर रब्बातिर लागे। तिनले रब्बामा धावा बोलेर आफ्नो अधिकार जमाए।
30Dia nesoriny ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.[Na: Malkama; izahao Zef. i. 5]Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Na: (nampiasaina tamin')]
30दाऊदले उनीहरूका राजाको मुकुट झिकिदिए। उक्त मुकुटको ओजन झण्डै एक तोडा सुनको थियो। त्यसमा बहुमूल्य पत्थरहरू पनि जडित थिए। तिनीहरूले दाऊदको शिरमा उक्त मुकुट पहिर्याए। दाऊदले शहरबाट धेरै बहुमूल्य सम्पत्ति हात पारे।
31Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Na: (nampiasaina tamin')]
31दाऊदले रब्बा शहरदेखि मानिसहरू बाहिर ल्याए। तिनीहरूलाई आरा, गल र बञ्चरोहरूले काम गर्न लगाए। ईंटाको काम गर्न लगाए। दाऊदले सबै अम्मोनीहरूका शहरमा एउटै व्यवहार गरे। त्यसपछि दाऊद र तिनका फौज यरूशलेम फर्किए।