Malagasy

Nepali

Daniel

4

1Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra tao an-dapako.[Ar. maitso]
1सारा संसारमा बस्ने विभिन्न भाषा बोल्ने जाति-जातिहरूका मानिसहरूलाई राजा नबूकदनेस्सरबाट तिमीहरूको भलो होस्। भनि पठाए।
2Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan'ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
2सर्वोच्च परमेश्वरले मेरो निम्ति गर्नु भएको अद्भूत अनि छक्क-पर्दो चीजहरूको विषयमा तिमीलाई भन्न म अति खुशी छु।
3Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin'i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.
3उहाँका चिन्हहरू महान छ। उहाँका आश्चर्यपूर्ण कर्महरू शक्तिशाली छन्। उहाँको राज्य सदा-सर्वदा रहिरहने छ। राज्यमा उहाँको प्रभुत्व पुस्तौं पुस्तासम्म रहिरहन्छ।
4Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
4म, नबूकदनेस्सर आफ्नो महलमा खुशी र सफल थिएँ।
5Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran'andriamanitro, sady misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
5मैले यस्तो सपना देखें, मलाई भयभीत बनायो। म मेरो ओछ्यानमा ढल्किरहेको थिएँ अनि मैले मेरो मनमा दिव्य दर्शन् देखें, ती कुराहरूले मलाई एकदमै दुःखीत बनायो।
6Ry Beltesazara, lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin'ny nofy mbamin'ny heviny.
6यसकारण मैले बाबेलका सबै ज्ञानी पुरूषहरूलाई सपनाको अर्थ खोलि दिनलाई मकहाँ आउन भनी हुकुम गरें।
7Fa izao no fahitan'ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan'ny tany, ary fatratra ny hahavony.
7जब जादुगर, तंत्र-मंत्र जान्ने कल्दी र ज्योतिषीहरू आए, मैले तिनीहरूलाई सपना बताईदिएँ, तर तिनीहरूले मलाई त्यसको अर्थ बताउँन सकेनन्।
8Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.
8तब अन्तमा दानियल मेरो अघि आए। मैले दानियललाई मेरा देवताको सम्मानमा बेलतसजर नाउँ राखें। उसित देवताहरूको आत्मा थियो। यसकारण मैले आफ्नो सपना उसलाई बताएँ।
9Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an'ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan'ny bibidia, ary teny amin'ny sampany no nitoeran'ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
9“बेलतसजर (दानियल) तिमी सबै तांत्रिकहरूमा सर्वश्रेष्ठ हौ, मलाई थाहा छ कि तिमीमा ईश्वरीय आत्मा बास गर्छ, अनि कुनै पनि रहस्य बुझ्न तिमीलाई अफ्ठ्यारो पर्दैन। मलाई यसको अर्थ भन, जुन सपना मैले देखें।
10Nijery tamin'ny fahitan'ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra.
10म ओछ्यानमा सुतिरहेको थिएँ। त्यति बेला मैले एउटा दिव्य दर्शनमा, अचानक, मेरो छेउमा पृथ्वीको बीचमा एउटा अग्लो रूख देखें, त्यो बृक्ष एकदमै अग्लो देखें।
11Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin'ny rantsany.
11यो रूख एकदमै ठूलो अनि शक्तिशाली थियो। यसको अग्लाईले आकाश छुन आँटेको थियो। अनि यो रूख पृथ्वीको कुनै पनि कुनाबाट देखिन्थ्यो।
12Nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin'ny biby any amin'ny ahitra amin'ny tany;
12यसका पातहरू सुन्दर थिए। यसको फलहरू प्रशस्तै थिए र यो फलले सबैलाई खान पुग्थ्यो। जङ्गली पशुहरू त्यो रूखको छहारीमुनि बस्थे। यसका हाँगामा चराहरूले गुँड बनाउँथे, अनि सबै जीवित प्राणीहरूले त्यसबाट आहार पाउँथे।
13aoka hovana ny fony tsy ho fon'olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr'andro fito no holanina aminy.
13“ओछ्यानमा सुतिरहेको बेलामा मैले त्यो दर्शन हेरिरहेको थिएँ, त्यसै बेला स्वर्गबाट एउटा पवित्र दूत तल आउँदै गरेको मैले देखें।
14Didin'ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin'ny tendrin'ireo masina izany zavatra izany, hahafantaran'ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.
14उसले ठूलो स्वरमा कराएर भन्यो, ‘रूखलाई काट! त्यसको हाँगाहरू काट। पातहरू झारिदेऊ। यसको फलहरू चारैतिर छरपस्ट पारिदेऊ। जङ्गली पशुहरू त्यसको छहारी मुनिबाट अनि चराहरू त्यसको हाँगाबाट भागोस्।
15Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin'ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr'izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin'ireo andriamanitra masina no anatinao.
15तर त्यसको ठुटो चाँहि जरासितै जमीनमा नै रहोस्। अनि त्यही अवस्थामा फलामको अनि काँसको साङ्गलाले बाँधिएको होस्, अनि जङ्ली घाँसले पेट भरोस् आकाशको शीतले त्यसलाई भिजाओस् र र्खकमा बस्ने पशुहरूसित र रूखका पातसँग खेतमा रहोस्।
16Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an'izay mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay fahavalonao.
16त्यस मानिसको मन बदलिएर पशुहरूको जस्तै होस्। सात काल त्यसमाथि त्यस्तैं बितोस्।’
17Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin'ny tany rehetra,
17“एकजना पवित्र स्वर्गदूतले यो दण्डको घोषणा गरे। पृथ्वीको सबै मानिसहरूलाई थाहा होस् कि, मानिसहरूको राज्यहरूमाथि सर्वोच्च परमेश्वरले शासन गर्नुहुन्छ। परमेश्वरले जसलाई चाहनु हुन्छ यी राज्यहरू उसलाई दिनुहुन्छ अनि परमेश्वरले ती राज्यहरू माथि शासन गर्नको निम्ति विनम्र मानिसलाई छान्नु हुन्छ।
18ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an'ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran'ny bibi-dia, ary teny amin'ny rantsany no nitoeran'ny voro-manidina,
18“नबूकदनेस्सरले भने, मैले देखेको सपना यही हो। म राजा नबूकदनेस्सरले अब तिमी बेलतसजरले (दानियल), सपनाको अर्थ भन कारण मेरो राज्यको कुनै पनि बुद्धिमानी मानिसले यो सपनाको अर्थ व्याख्या गर्न सक्ने छैन। तर बेलतसजर (दानियल) तिमीले यो सपनाको अर्थ व्याख्या गर्न सक्छौ कारण तिमीमा देवताहरूको आत्मा रहेकोछ।”
19ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin'ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin'ny faran'ny tany.
19त्यसपछि दानियल केही समय सम्म चुपचाप बसे। उसले केही कुरा सोची रहेको थिए, त्यसले उसलाई व्याकुल बनाइरहेको थियो। तब राजाले भने, “बेलतसजर (दानियल), तिमी त्यो सपना अथवा त्यो सपनाको अर्थदेखि भयभीत नहोऊ।” यसमा बेलतसजरले (दानियल) उत्तर दिए, “मेरा स्वामी, खाश यो सपना तपाईंका शत्रुहरूमाथि आवोस् अनि यसको अर्थ जो तपाईंको विरोधी छन् उनीहरूले प्राप्त गरून्।
20Ary ny nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia, ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,
20जुन रूख तपाईंले देख्नुभयो त्यो रूख ठूलो अनि शक्तिशाली भयो। रूखको टुप्पो आकाश सम्मै पुग्यो। त्यो रूख पृथ्वीको प्रत्येक कुनाबाट देखिन्थ्यो।
21izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin'ny Avo Indrindra, izay mihatra amin'itompokolahy mpanjaka:
21त्यसका पातहरू सुन्दर थिए, त्यसमा फल प्रशस्तै थियो, त्यसको हाँगामा फलेको फलले सबैका लागि खान पुग्थ्यो अनि त्यसको छहारी मुनि सबै जङ्गली पशुहरू बस्थे। अनि त्यसको हाँगामा चराले गुँड बनाएको थियो।
22Horoahina hiala amin'ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin'ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan'ny andon'ny lanitra, ary fetr'andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
22“हे राजा त्यो रूख तपाईं नै हो। तपाईं बढेर शक्तिशाली हुनु भयो। तपाईंको धन सम्पत्ति बढ्यो। तपाईंको शक्ति बढेर स्वर्ग सम्म पुग्यो। तपाईंको प्रभुत्व बढेर पृथ्वीको पल्लो छेउ सम्म छ।
23Ary ny nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
23“अब तपाईंले एकजना पवित्र स्वर्गबाट स्वर्गदूत तल झर्दै गरेको देख्नु भयो? त्यसले भन्यो, ‘त्यस रूखलाई काटेर नष्ट गरिदेऊ, तर त्यसको ठुटा जरासँगै भूइँमानै छोडिदेऊ जुन तिमीले भूइँमा छोडेको थियौ त्यसलाई फलाम र काँसाको साङ्गलोले बाँध अनि खेतमा घाँसहरूको बीच छोडिदेऊ। आकाशको शीतले भिजोस र त्यसको भाग जङ्गलको पशुहरूसँग होस्। यो हालतमा सात साल बित्नेछ।’
24Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao,ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.[Ar. anapaho]
24“राजा, तपाईंको सपनाको व्याख्या यही हो। सर्वोच्च परमेश्वरले मेरो स्वामी राजा प्रति यी घटनाहरू घट्ने आदेश दिनुहुन्छ।
25Izany rehetra izany no nanjo an'i Nebokadnezara mpanjaka.
25राजा नबूकदनेस्सरले तपाईंलाई तपाईंको मानिसहरूबाट जबर्जस्ती टाडो पठाउनेछ, तपाईं जङ्गली जनावरहरूको बीचमा बस्नु हुनेछ। तपाईंले गाई गोरूले जस्तो घाँस खानु हुनेछ अनि तपाईं शीतले भिज्नु पर्नेछ। सात वर्ष सम्म यही प्रतिक्रिया दोहोरिनेछ। जब सम्म तपाईंले यो कुरा बुझ्नुहुने छैन, कि सर्वोच्च परमेश्वरले मानिसहरूमाथि सर्वधिकार गर्नुहुन्छ उहाँले जसलाई इच्छा गर्नु हुन्छ उसैलाई नै राज्य दिनुहुन्छ।
26Ary nony afaka roa ambin'ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon'ny tranony tao Babylona izy.
26“जरा सहित ठुटोलाई भूइँमा छोडिदिने आज्ञा यो हो तपाईंको राज्य तपाईंलाई फेरि फिर्ता दिनुहुनेछ। यो तब हुनेछ जब त्यो सर्वोच्च परमेश्वरले तपाईंको राज्यमा शासन गर्नुहुन्छ भन्ने तपाईंले जान्नु हुन्छ।
27Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan'ny fanjakana tamin'ny haben'ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
27यसकारण, राजा, दया गरेर मेरो सल्लाह स्वीकार्नु होस् आफ्नो पाप त्यागेर धर्म पट्टि लाग्नुहोस्, अत्यचारमा परेकाहरूलाई दया देखाएर गरीब मानिस प्रतिको अधर्म त्याग्नु होस्, त्यसो गर्नाले लामो समय सम्म सफल र शान्ति प्रिय हुनुहुनेछ।”
28Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
28यो सबै सत्य घटना राजा नबूकदनेस्सरमाथि घट्यो।
29Fa horoahina hiala amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
29बाह्र महिना पछि राजा आफ्नो महलको कौसीमा घुमिरहेका थिए।
30Tamin'izay indrindra no nahatanterahan'izany tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny andon'ny lanitra ambara-panirin'ny volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an'ny vorona.
30जब राजाले भने, “बाबेललाई हेर, यो महान शहरको निर्माण मैले आफ्नो शक्तिले गरेको हो। शहरको राजधानी मेरो राज्यले मेरो महोत्तमको गौरव प्रदान गरेकोछ।”
31Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
31राजाको मुखबाट यो कुरा निस्की नसक्दै स्वर्गबाट यसो भन्ने आवाज आयो, “यो घटनाहरू तपाईंमाथि घट्नेछ, राजा नबूकदनेस्सर तपाईंको राज्य तपाईंबाट खोसिनेछ।
32ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin'ireo maro be any an-danitra sy amin'ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
32तपाईंलाई मानिसहरूबाट निस्कासित गरिनेछ। तपाईं जङ्गली पशुहरूसँग बस्नु पर्नेछ अनि गाईले झैं घाँस खानुहुनेछ। सात वर्ष सम्म यो चलिरहनेछ जब सम्म तपाईंले यो बुझ्नुहुँदैन कि सर्वोच्च परमेश्वरले मानिसहरूमाथि शासन गर्नुहुन्छ। अनि उहाँले जसलाई चाहनुहुन्छ उसलाई राज्य दिनुहुन्छ।”
33Tamin'izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan'ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
33फेरि तुरून्तै यो घटना घट्यो, नबूकदनेस्सर मानिसहरूबाट निकालिए, उनले गाईले जस्तो घाँस खान थाले र उनको शरीर आकाशको शीतले भिज्यो, उनको कपाल लामो, गीद्धको प्वाख जस्तो भयो अनि उनको नङ्गहरू चीलका नङ्गा जस्तै लामा लामा भए।
34Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
34तब त्यो अन्तको समयमा म नबूकदनेस्सरले आँखा उठाएर स्वर्गतिर हेरें, अनि मैले सही तरिकाले सोच्न थालेको थिए मैले सम्मान र महिमा दिएँ जो सदा-सर्वदा जीवित हुनुहुन्छ। परमेश्वरले सदा सर्वदा शासन गर्नुहुन्छ। उहाँको राज्य पुस्तैं पुस्ता सम्म चलिरहन्छ।
35यो पृथ्वीका मानिसहरू साँच्चै ठूला छैनन् परमेश्वरले मानिसहरूसँग जे चाहनुहुन्छ त्यति गर्नुहुन्छ स्वर्गको शक्ति भन्दा ठूला कोही पनि छैन उहाँले भन्नुहुन्छ, स्वर्गको शक्तिलाई कसैले पनि रोक्न सक्तैन उहाँको सशक्त हातले जे गर्छ यसमाथि कुनै प्रश्न नै उठ्दैन्।
36त्यस समयमा परमेश्वरले मेरो बुद्धि मलाई फेरि दिनु भयो। अनि एउटा राजाको रूपमा मेरो मान, सम्मान अनि शक्ति फेरि फर्काई दिनुभयो। मेरो सल्लाहकार अनि राजकीय मानिसहरू फेरि मकहाँ आए। म फेरि पहिलाको भन्दा पनि महान अनि शक्तिशाली राजा भएँ।
37त्यस पछि म नबूकदनेस्सर स्वर्गको राजाको स्तुति गर्छु तथा उहाँलाई सम्मान अनि महिमा प्रदान गर्छु। उहाँले जे भन्नुहुन्छ ठीक भन्नुहुन्छ, उहाँ सँधै न्यायपूर्ण हुनुहुन्छ, उहाँमा अहँकारीहरूलाई विनम्र प्रदान गर्ने क्षमता छ।