Malagasy

Nepali

Daniel

5

1[Ny fanasana nataon'i Belsazara, sy ny sora-tanana niseho teo amin'ny rindrina] Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan'ireny no nisotroany divay.
1राजा बेलसजरले आफ्ना 1,000 अधिकारीहरूलाई राजकीय भवनमा ठूलो भोज दिए अनि ती अधिकारीहरूले दाखरस पिउन थाले।
2Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain'i Nebokadnezara rainy avy tao amin'ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony.
2दाखरस पिउरहेको बेला बेलसजरले आफ्नो सेवकहरूलाई सुन र चाँदीको प्याला ल्याउन हुकुम गरे जुन प्याला उनका बाजेले यरूशलेमको मन्दिरबाट ल्याएका थिए। नबूकदनेस्सरले चाहन्थे कि शासकहरू, तिनका पत्नीहरू, तथा दासीहरूले यो प्यालामा दाखरस पिउन।
3Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin'ny tempolin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony nisotro taminy.
3जब तिनीहरूले त्यो सुनको प्याला ल्याए जुन यरूशलेमको परमेश्वरको मन्दिरबाट ल्याइएको थियो। राजा अनि उसका अधिकारीहरू, पत्नीहरू तथा दासीहरूले त्यो प्यालामा दाखरस हालेर पिए।
4Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.
4तिनीहरूले दाखरस पिए त्यस पछि उनीहरूले पूजा गर्ने सुन, चाँदी काँसा, फलाम, काठ र ढुङ्गाको देवताहरूको प्रशंशा गर्न थाले।
5Tamin'izay dia nisy rantsan- tànan'olona niseho ka nanoratra tandrifin'ny jiro tamin'ny lalotra sokay teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
5त्यस समयमा अचानक एकजना मानिसको हातको औंलाले सामदानको अघि महलको भित्तामा केही लेखि रहेको देखियो। राजाले भित्तामा लेखिरहेको हात देखे।
6Dia nivaloarika ny tarehin'ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
6यो देखेर राजा बेलसजर भयभीत भए र तिनको अनुहारको रंग पहेंलो भयो र हात खुट्टा गलेर थरथर काम्न थाले।
7Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'ny olon-kendrin'i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana izy.
7अनि राजा चिच्याएर बाबेलका तंत्र-मंत्र जान्ने कल्दी र ज्योतिषीहरूलाई ल्याउन पठाए। तिनले बाबेलको ज्ञानी पुरूषहरूलाई भने, “जसले यो लेखोट पढेर मलाई त्यसको अर्थ खोलिदिन्छ, त्यसलाई बैजनी लुगा र सुनको हार पहिराइनेछ र यस राज्यको दर्जामा त्यो तेस्रो गनिने छ।”
8Dia niditra avokoa ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.
8त्यस पछि सबै ज्ञानी पुरूषहरू राजाकहाँ आए, तर कसैले पनि त्यो लेखोट पढन सकेनन्।
9Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolo-tsainy.
9यसकारण राजा बेलसजर साहै डराए अनि चिन्तित भए। अनि उनका सबै हाकिमहरू पनि चिन्तित भए।
10Ary ny renin'ny mpanjaka niditra tao amin'ny trano fanasana noho ny tenin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao.
10राजा र अधिकारीहरूको हल्ला-खल्ला सुनेर राजमाता भोजमा आइन् र राजमाताले भनिन्, “राजा अमर रहुन। नडराऊ।
11Misy lehilahy ato amin'ny fanjakanao izay manana fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra; ka nataon'i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben'ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;
11तपाईंको राज्यमा एउटा यस्तो मानिस छ, जसमा पवित्र देवताहरूको आत्मा छ। तपाईंको पितामहको पालामा तिनमा उत्तम समझ र देवताको झैं ज्ञान भएको पाइयो। यसैले तपाईंको पितामह नबूकदनेस्सरले तिनलाई जादूगर, तंत्र-मंत्र जान्ने कल्दी र ज्योतिषीहरूका प्रधान नियुक्त गरिदिए।
12fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin'izany Daniela izany, izay nomen'ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.
12यिनी दानियल, जसलाई राजाले बेलसजर नाउँ राखिदिए, खूबै उत्तम आत्मा, बुद्धि र समझ भएका सपनाको अर्थ खोल्ने, अड्को फुकाउने र समस्याहरू हल गर्ने ज्ञान भएका छन्। अब यिनै दानियललाई बोलाउन पठाऊ, र तिनले अर्थ खोलिदिनेछन्।”
13Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, izay nentin'ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
13त्यस पछि दानियललाई राजाको अघि पेश गरियो। राजाले दानियललाई भने, “तिमीनै दानियल हौ, निकालाबास भएको एक यहूदी, जसलाई राजा, मेरो पितामहले यहूदाबाट ल्याएका थिए।
14Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin'ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
14मैले तिम्रो विषयमा सुनें। तिमी एकजना त्यस्ता मानिस हौ जसमा पवित्र देवताहरूको आत्मा छ। तिमी एकजना त्यस्तो मानिस हौ, जसकोमा उत्तम समझ र अचम्मको रहस्य बुझ्ने ज्ञान छ।
15Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
15बुद्धिमान पुरूष अनि तांत्रिकहरूलाई यो भित्ताको लेखौटको अर्थ बताउँनको निम्ति मेरोमा ल्याइयो। म चाहन्थें कि उनीहरूले यसको अर्थ खोलुन्। तर तिनीहरूले भित्ताको लेखौटको व्याख्या गर्न सकेनन्।
16ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana ianao.
16मैले सुनें तिमीले यसको अर्थ खोल्न र व्याख्या गर्न सक्छौ अनि समस्याहरू हल गर्न सक्छौ। हेर, यदि तिमीले यो पढ्न सक्यौ अनि मलाई व्याख्या गर्न सक्यौ भने तिमीलाई बैजनी वस्त्र अनि सुनको हार दिनेछु। साथै तिमी यस राज्यको दर्जामा तेस्रो मानिस गनिनेछौ।”
17Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
17त्यस पछि दानियलले उत्तर दिए, “तपाईंको उपहारहरू तपाईंनै राख्नु होस्, अनि आफ्ना उपहारहरू अरूलाई नै दिनु होस्। तर म यो लेखौट पढेर तपाईंलाई यसको अर्थ खोलि दिन्छु।
18Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an'i Nebokadnezara rainao;
18सर्वोच्च परमेश्वरले तपाईंको बाजे राजा नबूकदनेस्सरलाई एउटा राज्यको महान शक्तिशाली राजा बनाउनु भयो।
19ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
19अनि उहाँले दिनु भएको अधिकारले विभिन्न भाषा बोल्ने जाति जातिका मानिसहरू तिनको अघि डरले थरथर काम्थे। आफ्नो इच्छा अनुसार तिनले कसैको प्राण लिन्थे वा जीउँदो राख्थे, पदोन्नति गरिदिन्थे वा पदाच्यूत गरिदिन्थे।
20Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin'ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
20“तर जब नबूकदनेस्सर अट्टेरी, ढिट र अभिमानी भए तब तिनी आफ्नो सिंहासनबाट खसालिए र तिनको गौरव तिनीबाट खोसियो।
21dia noroahina niala tamin'ny zanak'olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an'ny biby, ary ny fonenany tany amin'ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
21तब नबूकदनेस्सर समाजबाट निकालिए। उनको मन पशुको जस्तै बनाईयो तिनको बसाई जङ्गली गधाहरूसित हुन थाल्यो। अनि गाईले जस्तै घाँस खान थाले। उनको शरीर आकाशको शीतले भिज्यो। उनीमाथि यस्तो हुँदै गयो, फेरि उनलाई ज्ञान भयो कि मानिसको राज्य माथि सर्वोच्च परमेश्वरले शासन गर्नुहुन्छ अनि साम्राज्यहरूमाथि शासन गर्नको निम्ति उहाँले जसलाई चाहानुहुन्छ त्यसैलाई पठाउँनुहुन्छ।
22Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany;
22“अनि तिमी बेलसजर उहाँकै नाति हुनुहुन्छ, तपाईंले यो सबै कुरा जान्दा जान्दै पनि अझै आफ्नो हृदयलाई नम्र बनाउनु भएको छैन।
23fa niavonavona tamin'ny Tompon'ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin'ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon'ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
23होइन, तपाईं नम्र हुनु भएन यसको सट्टामा तपाईं स्वर्गका परमेश्वरको विरूद्धमा खडा हुनुभयो। तपाईंले परमप्रभुको मन्दिरका भाँडा-कुँडाहरू तपाईंकहाँ ल्याउने आज्ञा दिनुभयो, अनि तपाईं र राज भवनका अधिकारीहरू, तपाईंका पत्नीहरू र दासहरूले त्यो भाँडाहरूमा दाखरस पिउनु भयो। तपाईंले दाखरस पिउँदै सुन, चाँदी, काँस, फलाम, काठ अनि ढुङ्गाका देवताहरूको महिमा गर्न थाल्नु भयो। तिनीहरू साँचो देवता होइनन्। तिनीहरूले देख्न सक्तैनन् सुन्न सक्तैनन् तथा केही पनि सोच्न सक्तैनन्। तर तपाईंले परमेश्वरको सम्मान गर्नुभएन जसको शक्तिमा तपाईंको जीवन अनि प्रत्येक कुरा त्यसमाथि निर्भर छ।
24Ary noho izany dia Izy no nihavian'ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
24यसैले, परमेश्वरले त्यो हात पठाउनु भयो, जसले भित्तामा लेखौट लेख्यो।
25Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina.[Oparesina = sy Paresina]
25लेखौट यही हो “ मने, मने तकेल, पर्सीन। “
26Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin'izao;
26“अनि त्यो लेखौटको व्याख्या यही हो “अर्थात तिम्रो राज्यको अन्त हुन्छ, परमेश्वरले त्यति बेला सम्मको दिन गनी सक्नु भएको छ।
27Tekela, efa voalanja tamin'ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
27तकेल-तिमीलाई तराजुमा जोखियो अनि तिमीलाई घट्दै गएको पाइयो।
28Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an'ny Mediana sy ny Persiana.
28पर्सीन तिम्रो राज्य भाग भाग गरेर मादी र फारसीहरूलाई दिइने छ।”
29Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana.Ary tamin'io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana.
29यस पछि बेलसजरले आज्ञा दिए कि दानियललाई बैजनी लुगा लगाई दिनु अनि गलामा सुनको हार पहिराइयोस् अनि तिनी राज्यको तेस्रो दर्जाको मानिस हुन् भनी घोषण गरियो।
30Ary tamin'io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana.
30त्यसै रात कल्दीहरूको राजा बेलसजर मारिए।
31अनि मादिका राजा दाराले त्यो राज्य लिए, उनी त्यति बेला 62 वर्षका थिए।