Malagasy

Nepali

Nehemiah

7

1Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
1जब पर्खालको पुनःर्निर्माण भयो, अनि मैले ठीक ठाउँमा ढोकाहरू लगाएँ, द्वारपाल, गवैया अनि लेवीहरूलाई पूजाहरी नियुक्त गरे।
2dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
2तब मैले मेरो भाइ हनानीलाई किल्लाको सेना नायक हनन्याह सहित यरूशलेमको जिम्मा दिएँ किनभने हनानी एक इमान्दार थिए अनि तिनले परमेश्वरलाई अन्य धेरै मानिसहरूले भन्दा अधिक सम्मान गर्थे।
3Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
3मैले तिनीहरूलाई भने, “यरूशलेमको द्वारहरू घाम पूर्णरूपले उदय नहुञ्जेल खोल्नु हुँदैन, अनि घाम अस्ताउनु भन्दा अघि बन्द गर्नु पर्छ। यरूशलेमका बासिन्दाहरूलाई रक्षा गर्न कसैलाई तिनीहरूको खामातिर अनि कसैलाई आफ्नै घरको रक्षा गर्न नियुक्त गर।” फर्केर आएका कैदिहरूको सूची
4Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
4यरूशलेम फराकिलो अनि ठूलो थियो, तर त्यस मित्र मानिसहरू कम थिए, अनि पुनःर्निर्माणघरहरू प्रशस्त थिएनन्।
5Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
5यसकारण परमेश्वरले मलाई मुख्य मानिसहरू, अधिकारीहरू अनि साधारण मानिसहरूलाई कुल अनुसार नाउँ लेख्नु भनि प्रेरणा दिनु भयो। मैले कैदबाट फर्की आउने कुलहरूको विवरण पुस्तक पाँए। मैले त्यसमा यो लेखेको पाएँ।
6Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
6यी मानिसहरू त्यो प्रदेशका मानिसहरू हुन् जो कैदीबाट आएका हुन, जसलाई बाबेलका राजा नबूकदनेसरले कैद गरेर लगेका थिए। (तिनीहरू हरेक आ-आफ्ना शहर यरूशलेम अनि यहूदामा फर्के।)
7dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
7तिनीहरू यरूबाबेल, येशूअ, नहेम्याह, अजर्याह, राम्याह, नहमानी, मोर्दकै, बिल्शान, मिसपेरेत, बिग्बै, नहूम अनि बानाका साथ आए। इस्राएलका मानिसहरूको सूचीः
8Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
8परोशका कुलहरू 2,172
9ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
9शपत्याहका कुलहरू 372
10ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
10आरहका कुलहरू 652
11ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
11पहात-मोआबका कुलहरू अर्थाथ येशूअ अनि योआबका कुलहरू 2,818
12ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
12एलामका कुलहरू 1,254
13ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
13जत्तूका कुलहरू 845
14ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
14जक्कैका कुलहरू 760
15ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
15बिन्नूईका कुलहरू 648
16ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
16बेबैका कुलहरू 628
17ny taranak'Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
17अज्गादका कुलहरू 2,322
18ny zanak'i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
18अबोनीकामका कुलहरू 667
19ny taranak'i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;
19बिग्बैका कुलहरू 2,067
20ny taranak'i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;
20अदीनका कुलहरू 655
21ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
21आतेरका अर्थात हिज्याहका कुलहरू 98
22ny taranak'i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
22हशूमका कुलहरू 328
23ny taranak'i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
23बेसैका कुलहरू 324
24ny taranak'i Harifa dia roa ambin'ny folo amby zato;
24हारीमका कुलहरू 112
25ny taranak'i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
25गिबोनका कुलहरू 95
26Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
26बेतलेहेम अनि नेतोपात शहरहरूका मानिसहरू 188
27ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
27अनातोत शहरका मानिसहरू 128
28ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
28अज्मावेत शहरका मानिसहरू 42
29ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
29किर्यात्यारीम, कापीरा अनि बेरोत शहरहरूका मानिसहरू 743
30ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
30रामा अनि नेबा शहरहरूका मानिसहरू 621
31ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
31मिक्मास शहरका मानिसहरू 122
32ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
32बेतेल अनि ऐ शहरहरूका मानिसहरू 123
33ny mponina tany amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
33अर्को नेबो शहरको मानिसहरू 52
34ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
34अर्को एलाम शहरको मानिसहरू 1,254
35ny zanak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
35हारीम शहरका मानिसहरू 320
36ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
36यरीहो शहरका मानिसहरू 345
37ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
37लोद, हादीद अनि ओनो शहरहरूका मानिसहरू 721
38ny zanak'i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
38सना शहरका मानिसहरू 3,930
39Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
39पूजाहारीहरूः यदायाहका कुलहरू अर्थात 973
40ny taranak'Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
40इम्मेरका कुलहरू 1,052
41ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
41पशहूरका कुलहरू 1,247
42ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
42आरीमका कुलहरू 1,017
43Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
43लेवीहरूः येशूअका कुलहरू अर्थात होदबाका परिवारका कदूमीएलका कुल 74
44Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak'i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
44गवैयाहरूः आसापका कुलहरू 148
45Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
45द्वारपालहरूः शल्लूम, आतेर, तल्मोन, अक्कूब, हतीता अनि शेबैका कुलहरू 138
46Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
46मन्दिरका सेवकहरूः सीहा, हसूपा, तब्बाओत।
47ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona,
47केरोस, सीआ, पादोन।
48ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay,
48लबान, हगाबा, सल्मै।
49ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara,
49हानान, गिदूदेलका, गहर।
50ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda,
50रायाह, रसीन, नेकादा।
51ny taranak'i Gazama, ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea,
51गज्जाम, उज्जा, पसेह।
52ny taranak'i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
52बेसै, मुनीम, नापीश।
53ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora,
53बक्बुक, हकूपा, हर्हूर।
54ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,
54बस्लीत, महीदा हर्शा।
55ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,
55बर्कोस, सीसरा, तेमह।
56ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.
56नसीह, अनि हतीम। यिनीहरू सबै मन्दिरका सेवकहरू हुन।
57Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny zanak'i Perida,
57सुलेमानका सेवकहरूका कुलहरूः सोतैइ, सोपेरेत, परीदा
58ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,
58याला, दर्कोन, गिददेल।
59ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona.
59शपत्याह, हत्तीलका, पोकेरेत, हसेबायीम अनि आमोन।
60Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
60शबै मन्दिरका सेवकहरू अनि सुलेमानका सेवकहरूका कुलहरू 392
61Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):
61मानिसहरू यरूशलेममा तेल-मेलेह, तेल-हर्शा, हरूब, अदूदोन अनि इम्मेरबाट आएका थिए। तर आफ्ना कुलहरू इस्राएलका थिए भनी प्रमाण गर्न तिनीहरू सामर्थ भएनन्।
62ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
62दलायह, तोबियाह अनि नकोदाका कुलहरू 642
63Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
63पूजाहारीहरूमा होबायाह, हक्कोस अनि र्बजिलैका सन्तानहरू थिए। मानिसहरू जसले गिलादबाटका र्बजिलैकी छोरीहरूलाई विवाह गरे, जसलाई उसको नाउँ द्वारा बोलायो।
64Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.
64तिनीहरूले आफ्नो कुलहरूका विवरण अधिकारिय सूचीमा खोजे तर पाएनन्, पूजाहारीहरूबाट तिनीहरू निम्ति अशुद्ध ठहरीए।
65Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
65प्रशासकले तिनीहरूलाई भने तिनीहरूले पवित्र भोजनबाट केही खानु हुँदैन जबसम्म एकजना पूजाहारी उठ्दैन, जसले ऊरीम अनि तुम्मीम उपयोग गर्न सक्छ।
66Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
66[This verse may not be a part of this translation]
67afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
67[This verse may not be a part of this translation]
68ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
68[This verse may not be a part of this translation]
69ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
69[This verse may not be a part of this translation]
70Ary ny sasany tamin'ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin'ny rakitra.
70केही कुलहरूका प्रमुखहरूले निर्माण धन दान गरे। राज्यपालले खजानामा प्राय 19पाउण्ड सुनदान गरे अनि पूजाहारीहरूका निम्ति 50 कचौरा अनि 530 वटा पहिरने कपडा दिए।
71Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin'ny rakitra hanaovana ny asa.
71केही कुलहरूका प्रमुखहरूले निर्माण कोषका कामको निम्ति प्रायः 375 पाउण्ड सुन प्रदान गरे। अनि प्रायः 1 1/3 टन चाँदी प्रदान गरे।
72Ary izay nomen'ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.
72अनि अन्य मानिसहरूले प्रायः 375 पाउण्ड सुन अनि प्रायः 1 1/4 टन चाँदी अनि पूजाहारीहरूका निम्ती 67 कपडाहरू दान गरे।
73Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.
73जब सातौं महीना आयो अनि पूजाहारीहरू, लेवीहरू, द्वारपालहरू, गवैयाहरू मन्दिरका सेवकहरू अनि समस्त इस्राएलीहरू पनि आफ्ना शहरहरूमा बसे।