Malagasy

Nepali

Nehemiah

8

1Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak'Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano; ary niteny tamin'i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin'ny lalan'i Mosesy izay nandidian'i Jehovah ny Isiraely.
1समस्त मानिसहरू पानी मूलद्वार अघि चोकमा एकत्रित भए। तिनीहरूले शास्त्री एज्रालाई मोशाको व्यवस्थाको पुस्तक ल्याउनु भने, जो परमप्रभुले इस्राएललाई दिनु भएको थियो।
2Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa mahahaino.
2यसर्थ पूजाहारी एज्राले व्यवस्थाको पुस्तक समूहको समक्ष ल्याए, जो पुरूष अनि स्त्री दुवै, हरेक जसले सुनेका कुरा बुझ्न सक्थे तिनीहरूद्वारा गठन भएको थियो। यो सातौं महीनाको पहिलो दिन थियो।
3Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano izy hatramin'ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan'ny andro, dia teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin'ny lalàna.
3एज्राले त्यस पुस्तकलाई पानी-मुलढोका अधिको चोकमा फर्केर विहान देखि मध्यदिनसम्म पुरूष, स्त्री अनि अन्य जसले बुझ्न सक्नें गरि पढियो। सबै मानिसहरूले ध्यानपूर्वक व्यवस्थाको पुस्तकको कुराहरू सुने।
4Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.
4शास्त्री एज्रा एक काठको मचानमा उभिए जो त्यसै अवसरको निम्ति बनाएको थियो। उसको दाहिने तिर मत्तित्याह, शेमा, अनायाह, उरियाह, हिल्कियाह अनि मासेयाह उभिएका, थिए। उसको देब्रेतिर पदायाह, मीशाएल, मल्कियाह, हशूम, हशवदा, जकर्याह अनि मशुल्लाम उभिएको थिए।
5Dia nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.
5एज्राले सबै मानिसहरूले देख्ने गरी पुस्तक खोले किनभने उनी तिनीहरू भन्दा माथि उभिएका थिए। यसरी उसले व्यवस्थाको पुस्तक खोले सबै मानिसहरू उभिए।
6Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah.
6एज्राले परमप्रभु महान् परमेश्वरको स्तुति गरे। अनि सबै मानिसहरूले आफ्ना हात उठाउँदै उत्तरदिए, “आमीन! आमीन!” तब तिनीहरू सबै परमप्रभुको अघि भुइँमा निहुरीए।
7Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany.
7लेवीहरूको कुल समूहबाट येशूअ, बानी, शेरेबियाह, यामीन, अक्कूब, सब्बतै, होदियाह, मासेयाह, केलीता, अजर्याह, योजाबाद, हानान, अनि पलायाह मानिसहरूलाई व्यवस्थाको शिक्षा दिए जब मानिसहरू चाँहि आफ्ना स्थानमा उभिरहेका थिए।
8Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina.
8तिनीहरूले परमेश्वरको व्यवस्थाको पुस्तक स्पष्ट सित पढे अनि के पढिएको थियो मानिसहरूलाई बुझ्न सहायता गर्यो।
9Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna.
9नहेम्याह, जो राज्यपाल थिए, एज्रा पूजाहारी, अनि शास्त्री अनि मानिसहरूलाई निर्देश गरिरहेका लेवीहरूले सबै मानिसहरूलाई भने, “यो दिन तिमीहरूका परमप्रभु परमेश्वरका निम्ति पवित्र दिन हो। उदास नहोऊ अनि विलाप नगर।” किनभने सबै मानिसहरू व्यवस्थाका वचनहरू सुन्दा रोइरहेका थिए।
10Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
10उसले तिनीहरूलाई भने, “जाऊ अनि मीठो भोजन खाऊ, र स्वादिष्ट दाखरस पिऊ अनि तिनीहरूलाई भाग पठाऊ जसले तयार गरेका छैनन्, किनभने यो दिन हाम्रा मालिकको निम्ति पवित्र छ। अनि उदास नोहोऊ किनभने परमप्रभुमा आनन्द नै तिम्रो शक्तिहो।”
11Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.
11लेवीहरूले भने, “शान्त होऊ, किनभने यो पवित्र दिन हो। उदास नहोऊ।”
12Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.
12त्यस पछि सबै मानिसहरूले खान-पिन गरे र भोजनका भागहरू पठाइदिए अनि खूबै आनन्दसित उत्सब मनाउन गए। किनकि तिनीहरूले परमेश्वरका वचनहरू बुझे जो तिनीहरूलाई याद गराइदिएको थियो।
13Ary nony ampitson'iny dia vory teo amin'i Ezra mpanora-dalàna ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin'ny lalàna.
13महीनाको दोस्रो दिनमा समस्त मानिसका प्रमुखहरू, पूजाहारी अनि लेवीहरू व्यवस्थाका वचनहरू अध्ययन गर्न शास्त्री एज्रा कहाँ भेला भए।
14Dia hitany voasoratra teo amin'ny lalàna, izay nampandidian'i Jehovah an'i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo ny Zanak'Isiraely amin'ny andro firavoravoana amin'ny volana fahafito,
14[This verse may not be a part of this translation]
15ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan'oliva sy sampan'oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.
15[This verse may not be a part of this translation]
16Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony avy sy teo anatin'ny tokotaniny avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i Efraima.
16यसर्थ मानिसहरू गए र हाँगाहरू लिएर आए, अनि तिनीहरू स्वयंका निम्ति छाप्रोहरू बनाए, हरेकले आफ्ना छतमा अनि परमेश्वरको मन्दिरको पानी-मूलढोका चोक एप्रेम मूल ढोकाको।
17Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa, zanak'i Nona, ka hatramin'izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.
17सम्पूर्ण समूहका मानिसहरू जो कैदबाट आएका थिए अस्थाई छाप्राहरू निर्माण गरे र त्यसमा बसे किनभने इस्राएकीहरूले नूनका छोरा यहोशूको समयदेखि त्यसदिनसम्म त्यसो गरेका थिएनन्। तिनीहरू धेरै खुशी थिए।
18Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.
18उत्सवको पहिलो दिनदेखि लिएर आखरी दिनसम्म एज्राले परमेश्वरको व्यवस्थको पुस्तकबाट पढे। तिनीहरूले सातदिनसम्म उत्सव मनाए। अनि आठौ दिनमा व्यवस्थामा लेखिए झैं समापन समारोह गरे।