Malagasy

Norwegian

Ezekiel

1

1[Ny nahitan'i Ezekiela ny voninahitr'i Jehovah] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.
1Det skjedde i det trettiende år, i den fjerde måned, på den femte dag i måneden, mens jeg var blandt de bortførte ved elven Kebar, at himmelen åpnedes, og jeg så syner fra Gud.
2Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany)
2På den femte dag i måneden - det var det femte år efterat kong Jojakin var blitt bortført -
3dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary ny tànan'i Jehovah dia taminy teo.
3da kom Herrens ord til presten Esekiel, Busis sønn, i kaldeernes land ved elven Kebar, og Herrens hånd kom der over ham.
4Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
4Og jeg så, og se, en stormvind kom fra nord, en stor sky med stadig luende ild; en strålende glans omgav den, og midt i den, midt i ilden, viste det sig noget som så ut som blankt metall.
5Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.
5Og midt i den viste det sig noget som lignet fire livsvesener, som så således ut: De hadde et menneskes skikkelse,
6Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
6og hvert av dem hadde fire ansikter og hvert av dem fire vinger.
7Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.
7Deres ben var rette, og deres fotblad var som kloven på en kalv, og de blinket likesom skinnende kobber.
8Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
8Og de hadde menneskehender under vingene på alle fire sider, og alle fire hadde ansikter og vinger.
9Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra.
9Deres vinger rørte ved hverandre; de vendte sig ikke når de gikk; hvert av dem gikk rett frem.
10Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.
10Og deres ansikt lignet et menneskeansikt, og løveansikt hadde de alle fire på høire side, og okseansikt hadde de alle fire på venstre side, og ørneansikt hadde de også alle fire.
11Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
11Således var deres ansikter. Og deres vinger stod ut fra hverandre oventil; hvert av dem hadde to vinger som rørte ved det andre, og to som dekket deres legemer.
12Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
12Og hvert av dem gikk rett frem; dit hvor ånden vilde gå, gikk de; de vendte sig ikke når de gikk.
13Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
13Og livsvesenenes utseende var likt glør, som brente likesom bluss; ilden fór om imellem livsvesenene, og den hadde en strålende glans, og det gikk lyn ut av ilden.
14Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
14Og livsvesenene fór frem og tilbake likesom lynglimt.
15Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.
15Og jeg så livsvesenene, og se, det var et hjul på jorden ved siden av hvert av livsvesenene, og de vendte ut mot fire sider.
16Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.
16Hjulene så ut som om de var gjort av noget som lignet krysolitt, og alle fire var lik hverandre, og det så ut som om de var gjort således at det ene hjul var inne i det andre.
17Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
17Til alle fire sider gikk de når de gikk; de vendte sig ikke når de gikk.
18Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
18Hjulringene var høie og fryktelige, og de var fulle av øine rundt omkring på alle de fire hjul.
19Ary raha nandeha ny zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.
19Og når livsvesenene gikk, så gikk hjulene ved siden av dem, og når livsvesenene hevet sig op fra jorden, så hevet også hjulene sig.
20Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.
20Hvor ånden vilde gå, gikk de, nettop dit hvor ånden vilde gå; og hjulene hevet sig ved siden av dem, for livsvesenenes ånd var i hjulene.
21Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.
21Når livsvesenene gikk, så gikk også de, og når de stod, så stod også de, og når de hevet sig op fra jorden, så hevet hjulene sig ved siden av dem, for livsvesenenes ånd var i hjulene.
22Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.
22Og over livsvesenenes hoder var det noget som lignet en hvelving, som blendende krystall å se til, utspent ovenover deres hoder.
23Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.
23Og under hvelvingen stod deres vinger rett ut, så de rørte ved hverandre; hvert av dem hadde på begge sider to vinger som dekket deres legemer.
24Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;
24Og når de gikk, hørte jeg lyden av deres vinger; det var som lyden av store vann, som den Allmektiges røst, et bulder som bulderet av en leir; når de stod, senket de sine vinger.
25Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.
25Og det lød en røst ovenover hvelvingen som var over deres hode; når de stod, senket de sine vinger.
26Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.
26Og ovenover hvelvingen som var over deres hode, var det noget som så ut til å være av safirsten, og som lignet en trone, og ovenpå det som lignet en trone, var det en skikkelse, som et menneske å se til.
27Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.
27Og jeg så noget som lignet blankt metall, å se til som ild, med en ring av lys omkring fra der hvor hans lender syntes å være, og opover. Og fra der hvor hans lender syntes å være, og nedover så jeg noget som så ut som ild, og den var omgitt av en strålende glans;
28Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.
28likesom synet av buen i skyen på en regndag, således var synet av glansen rundt omkring. Således så Herrens herlighet ut, slik som den viste sig for mig. Og da jeg så det, falt jeg på mitt ansikt og hørte røsten av en som talte.