Malagasy

Norwegian

Jonah

1

1[Ny nanirahan'Andriamanitra an'i Jona hankany Ninive, sy ny nandosirany, ary ny nanjo azy noho izany] Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1Herrens ord kom til Jonas, Amittais sønn, og det lød så:
2Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
2Stå op, gå til Ninive, den store stad, og tal for den! For deres ondskap er steget op og er kommet for mitt åsyn.
3Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah.
3Men Jonas stod op og vilde fly til Tarsis, bort fra Herrens åsyn; og han drog ned til Joppe og fant der et skib som skulde gå til Tarsis, og han betalte frakten og gikk ombord for å fare med dem til Tarsis, bort fra Herrens åsyn.
4Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin'ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
4Men Herren sendte en sterk vind ut over havet, og det blev en stor storm på havet, og skibet var i ferd med å knuses.
5Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.[Heb. fanaka]
5Da blev skibsfolkene redde og ropte hver til sin gud, og de kastet de ting som var i skibet, ut i havet for å lette skibet. Men Jonas var steget ned i skibets nederste rum og lå i fast søvn.
6Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
6Skibsføreren gikk da til ham og sa: Hvorledes kan du sove så fast? Stå op og rop til din gud! Kanskje den gud vil tenke på råd for oss, så vi ikke går under.
7Ary dia samy nanao tamin'ny namany hoe izy: Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo.
7Og de sa til hverandre: Kom, la oss kaste lodd, så vi kan få vite hvem som er skyld i at denne ulykke har hendt oss! Så kastet de lodd, og loddet falt på Jonas.
8Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho ny amin'iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin'ny firenen'iza ianao?
8Da sa de til ham: Si oss hvem som er skyld i at denne ulykke har hendt oss! Hvad er ditt ærend, og hvor kommer du fra? Hvad land er du fra, og hvad folk hører du til?
9Dia hoy izy tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
9Han svarte: Jeg er en hebreer, og jeg frykter Herren, himmelens Gud, ham som har gjort havet og det tørre land.
10Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
10Da blev mennene grepet av en stor frykt, og de sa til ham: Hvorfor har du gjort dette? For de visste at han flydde fra Herrens åsyn; det hadde han fortalt dem.
11Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina.
11Og de sa til ham: Hvad skal vi gjøre med dig, forat havet kan legge sig for oss? For havet blev mere og mere oprørt.
12Ary hoy izy tamin'ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin'ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.
12Han svarte: Ta mig og kast mig i havet! Så vil havet legge sig for eder; for jeg vet at det er for min skyld denne store storm er kommet over eder.
13Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
13Mennene prøvde nu å ro tilbake til land, men de maktet det ikke; for sjøen slo sterkere og sterkere mot dem.
14Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
14Da ropte de til Herren og sa: Å Herre, la oss ikke gå under fordi denne mann skal dø, og la ikke uskyldig blod komme over oss! For du, Herre, har gjort som du vilde.
15Dia nobetain'izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin'ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina.Dia natahotra an'i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah sady nivoady.
15Så tok de Jonas og kastet ham i havet; da holdt havet op å rase.
16Dia natahotra an'i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah sady nivoady.
16Og mennene blev grepet av stor frykt for Herren, og de ofret takkoffer til Herren og gjorde løfter.