1[Ny namonjena an'i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina.
1Men Herren lot en stor fisk komme og sluke Jonas, og Jonas var i fiskens buk tre dager og tre netter.
2Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona
2Og Jonas bad til Herren sin Gud fra fiskens buk
3ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.[Heb. Shoela]
3og sa: Jeg kalte på Herren i min nød, og han svarte mig; fra dødsrikets skjød ropte jeg, du hørte min røst.
4Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
4Du kastet mig i dypet, midt i havet, og vannstrømmer omgav mig; alle dine brenninger og dine bølger gikk over mig.
5Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.
5Jeg tenkte: Jeg er støtt bort fra dine øine. Men jeg skal atter skue op til ditt hellige tempel.
6Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
6Vannene omringet mig like til sjelen, dypet omgav mig, tang innhyllet mitt hode,
7Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
7til fjellenes grunnvoller sank jeg ned, jordens bommer var lukket efter mig for evig. Men du førte mitt liv op av graven, Herre min Gud!
8Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.
8Da min sjel vansmektet i mig, kom jeg Herren i hu, og min bønn kom til dig i ditt hellige tempel.
9Izay mivavaka amin'ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy [Heb. zava-poana mandainga][Heb. ny famindram-pony]
9De som holder sig til de tomme avguder, de forlater sin miskunnhet*. / {* sin miskunnelige Gud; SLM 144, 2.}
10Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena.Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.
10Men jeg vil ofre til dig med takksigelses røst; det jeg har lovt, vil jeg holde; frelsen hører Herren til.
11Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.
11Så spydde fisken på Herrens bud Jonas ut på det tørre land.