1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny nitondrany ny Isiraely, ary filazana ny mahatsinontsinona ny sampy] Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah,
1Halleluja! Lov Herrens navn, lov, I Herrens tjenere,
2Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
2I som står i Herrens hus, i forgårdene til vår Guds hus!
3Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
3Lov Herren! for Herren er god, lovsyng hans navn! for det er liflig.
4Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
4For Herren har utvalgt sig Jakob, Israel til sin eiendom.
5Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
5Jeg vet at Herren er stor, og vår Herre større enn alle guder.
6Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
6Herren gjør alt det han vil, i himmelen og på jorden, i havene og alle dyp,
7Mampiakatra zavona avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
7han som lar regnskyer stige op fra jordens ende, gjør lyn til regn, fører vind ut av sine forrådshus,
8Dia Ilay namely ny voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby.
8han som slo de førstefødte i Egypten, både mennesker og fe.
9Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra,
9som sendte tegn og under midt i dig, Egypten, mot Farao og mot alle hans tjenere,
10Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
10han som slo mange hedningefolk og drepte mektige konger,
11Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra;
11Sihon, amorittenes konge, og Og, Basans konge, og alle Kana'ans kongeriker,
12Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.
12og gav deres land til arv, gav Israel, sitt folk, det til arv.
13Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.
13Herre, ditt navn blir til evig tid, Herre, ditt minne fra slekt til slekt.
14Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony.
14For Herren skal dømme sitt folk, og han skal miskunne sig over sine tjenere.
15Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona;
15Hedningenes avguder er sølv og gull, et verk av menneskers hender.
16Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
16De har munn, men taler ikke; de har øine, men ser ikke;
17Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
17de har ører, men hører ikke, og det er ikke nogen ånde i deres munn.
18Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
18Som de selv er, blir de som gjør dem, hver den som setter sin lit til dem.
19Misaora an'i Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona;
19Israels hus, lov Herren! Arons hus, lov Herren!
20Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah.Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
20Levis hus, lov Herren! I som frykter Herren, lov Herren!
21Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
21Lovet være Herren fra Sion, han som bor i Jerusalem! Halleluja!