1[Ny nanombohana ny raharaham-pivavahana indray, sy ny nanorenana ny tempoly] Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin'ny tanànany avy ny Zanak'Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.
1Sa arriti muaji i shtatë dhe bijtë e Izraelit ishin në qytetet e tyre, populli u mblodh si një njeri i vetëm në Jeruzalem.
2Dia nitsangana Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran'Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra.
2Atëherë Jeshua, bir i Jotsadakut, bashkë me vëllezërit e tij priftërinj dhe me Zorobabelin, birin e Shealtielit me gjithë vëllezërit e tij, u ngritën dhe ndërtuan altarin e Perëndisë të Izraelit, për t'i ofruar olokauste, siç është shkruar në ligjin e Moisiut, njeriut të Perëndisë.
3Dia naoriny teo amin'ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.
3E rivendosën altarin mbi themelet e tij, megjithëse kishin frikë nga popujt e tokave të afërta, dhe mbi të i ofruan olokauste Zotit, olokaustet e mëngjesit dhe të mbrëmjes.
4Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin'ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin'ny fanatitra dorana isan'andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan'andro avy.
4Kremtuan gjithashtu festën e Kasolleve, ashtu siç është shkruar, dhe ofruan çdo ditë olokauste, në bazë të numrit që kërkohej për çdo ditë.
5Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin'i Jehovah ary ny avy amin'izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah.
5Pastaj ofruan olokaustin e përjetshëm, olokaustet e hënës së re dhe të gjitha festave të përcaktuara nga Zoti, dhe ato të cilitdo që i bënte një ofertë vullnetare Zotit.
6Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan'ny tempolin'i Jehovah.
6Nga dita e parë e muajit të shtatë filluan t'i ofrojnë olokauste Zotit, por themelet e tempullit të Zotit nuk ishin hedhur ende.
7Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin'ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia.
7Pastaj u dhanë para gurëgdhendësve dhe marangozëve, si dhe ushqime, pije dhe vaj atyre të Sidonit dhe të Tiros që të sillnin dru kedri nga Libani në bazë të koncesionit që kishte marrë Kiri, mbret i Persisë.
8Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nahatongavany tany amin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, mbamin'ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin'ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian'ny asa amin'ny tranon'i Jehovah.
8Në muajin e dytë të vitit të dytë të arritjes së tyre në shtëpinë e Perëndisë në Jeruzalem, Zorobabeli, bir i Shealtielit, Jeshua, bir i Jotsadakut, vëllezërit e tjerë të tyre priftërinj dhe Levitët
9Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak'i Joda, ho tonian'ny mpiasa tamin'ny tranon'Andriamanitra, ary ny zanak'i Henadada koa mbamin'ny zanany sy ny Levita rahalahiny.
9Atëherë Jeshua me bijtë e tij dhe vëllezërit e tij, Kadmieli me bijtë e tij dhe bijtë e Judës u ngritën si një njeri i vetëm për të drejtuar ata që punonin në shtëpinë e Perëndisë; po kështu vepruan bijtë e Henadadit me bijtë e tyre dhe vëllezërit e tyre, Levitët.
10Ary rehefa naorin'ny mpiasa ny tempolin'i Jehovah, dia nasainy hidera an'i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak'i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
10Kur ndërtuesit hodhën themelet e tempullit të Zotit, ishin të pranishëm priftërinjtë të veshur me rrobat e tyre dhe me bori dhe Levitët, bijtë e Asafit, me cembale për të lëvduar Zotin sipas udhëzimeve të Davidit, mbretit të Izraelit.
11Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin'ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an'i Jehovah, satria vita ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.
11Ata këndonin, kremtonin dhe lëvdonin Zotin, "Sepse ai është i mirë, sepse mirësia e tij ndaj Izraelit është e përjetshme". Tërë populli lëshonte britma të forta gëzimi, duke lëvduar Zotin, sepse ishin hedhur themelet e shtëpisë së Zotit.
12Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.
12Shumë priftërinj, Levitët dhe krerë të shtëpive atërore, pleq, që kishin parë tempullin e parë, qanin me zë të lartë kur hidheshin themelet e këtij tempulli para syve të tyre. Shumë të tjerë përkundrazi bërtisnin fort nga gëzimi,
13ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka.
13kështu që njerëzit nuk mund të dallonin zhurmën e britmave të gëzimit nga ajo e vajit të popullit, sepse populli lëshonte britma të forta, dhe zhurma e tyre dëgjohej nga larg.